Parlemanta Nasionalin'ny Tanora : Hapetraka mialohan'ny taona vaovao

  • vendredi, 10 décembre 2021 08:41
  • Zakaria

Hapetraka ny sata mifehy ny Parlemanta Nasionalin'ny Tanora na ny Parlement National des Jeunes (PNJ) ka tsy maintsy vitaina mialohan'ny taona vaovao ny fametrahana ny PNJ.

Nivoitra io nandritra ny dinidinika nifanaovan’ny minisitra lefitra misahana ny tanora Ramatoa Juliana Ratovoson raha tonga nitsidika ara-pomba fanajana ny filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa teny Tsimbazaza izy.

Anisan'ny votoatin-dresaka nifampidinihan'ny roa tonta ny mahakasika ny fametrahana ny Parlemanta nasionalin'ny tanora. Fantatra ary fa ho arafitra ny fifanaraham-piaraha-miasa na ny «convention tripartite» iarahan'ny Antenimieram-pirenena, ny Antenimierandoholona sy ny Ministeran'ny tanora amin'ny alalan'ny Minisitra lefitra misahana ny tanora.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.