Ninie Doniah : Nosamborina fa mitarika fanonganam-panjakana ?

  • jeudi, 25 novembre 2021 11:00
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny Facebook i Bezara Eliane Virginie, fantatry ny maro amin’ny anarana maha mpanakanto hoe : Ninie Doniah, ny talata 23 novambra 2021, nampahafantatra fa “niboaka zahay hariva be, fa hoe mitady hanongam-panjakana, ary contre projet presidentiel zegny ny antony nisamboragna zahay 5”.

Resaka fiarovana tany no fototry ny olana.

Andaniny ny orinasa SIRAMA milaza fa azy ny tany ary hanaovana “projet présidentiel” EPP Manarapenitra.

Ankilany ny mponina tarihin’i Ninie Doniah mijoro fa tany manan-tompo, an’i Mahafaly Olivier, praiminisitra teo aloha ity tondroina hanaovana “projet présidentiel”, ka aleo ny tany ho an’ny Malagasy, hoy izy ireo, fa tsy omena ny vahiny izay ambaran’i Ninie Doniah fa lasan’ny Karana ny tany mifanila amin’io toerana io, nefa tsy kitihina, ka toherin’izy ireo izany.

Nilanja sorabaventy teo amin’ny toerana io, manohitra ny fakana ny tany an’ny Malagasy ny andian’olona maromaro, izay misy tompontany ary misy Malagasy valovotaka avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, tarihin’i Ninie Doniah, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny avy amin’ny SIRAMA, nametaka fefy amin’ny tany hanatanterahana ny sekoly, ambara fa “projet présidentiel”, ny 21 novambra lasa teo.

Nisy ny fifamaliana, izay niitatra tamin’ny fangoronan’ny mpitandro ny filaminana ny sorabaventy nentin’ireo miaro ny fakana ny tanin’ny Malagasy, ka niafara tamin’ny savorovoro.

Nahazo fampiantsoana teny amin’ny zandary i Ninie Doniah sy olona efatra hafa, ny talata. Araka ny nambaran’ity mpanakanto ity dia fitarihana fanonganam-panjakana sy fanoherana ny tetikasan’ny filoham-pirenena no niantsoana ka nanaovana famotorana azy ireo.

Nilaza i Ninie Doniah “Zahay tsy contre ny projet Présidentiel fa … ambilanarô taninay “Royal Beach” ataon'ny Fanjakagna fitaovagna andravagna tany … Nikaiky DG SIRAMA zaho dia izao ny valiny hoe efa vita titre sy borne amin'ny Royal Beach io tany io … moa va mpivarotro tany ny SIRAMA, fa tsy hoe manodina ny fary ho siramamy ndraiky toaka, izay Bail nifanarahagna tamin'ny Mpanjaka… Gaga zahay ?”.

Navotsotra ny talata hariva ihany izy dimy mianadahy nanaovana famotorana ireto.

Nilaza i Ninie Doniah fa tsy mihemotra manoloana ny fandrahonana na amin’ny endriny inona na ahoana, ho fiarovana ny tanin’ny Malagasy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.