Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2022 : Lany tsy nasiam-panitsiana

  • mercredi, 24 novembre 2021 08:44
  • Zakaria

Nolanian’ireo Solombavambahoaka ny talata faha 23 novambra 2021 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, tsy nasiam-panovana ary tsy nasiam-panitsiana ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2022.

Solombavambahoaka miisa 84 no tonga nifidy ary nandany izany. Marihina fa tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana ny vondrona parlemantera TIM.

Ny tatitra natao nandritra ny asam-baomiera dia nanisy fanitsiana miisa roa :

Ny voalohany dia mahakasika ny fampidinana ny haba-tseranana ho an’ny « bondillons », akora fanaovana savony ho 10%, raha 20% no voalaza anatin’ny volavolan-dalàna.

Ny faharoa dia momba ny ny fanafoanana ny “garantie à l’importation des PPN” izay omena ny mpandraharaha sasantsasany.

Ireo fanitsiana ireo dia tsy nolanian’ny Solombavambahoaka taorian’ny fandinihana natao nandritra ny fivoriambe.

Ankoatra ireo fanitsiana ireo dia maro ny fanamarihana avy amin’ny Solombavambahoaka mikasika izao volavolan-dalàna izao, fa anisan’ny niverimberina matetika ny tsy tokony hampiakarana ny haba-tseranana momba ny “pâtes alimentaires”.

Teo ihany koa ny hanomezana lanja bebe kokoa ny fanaovana fotodrafitrasa sy fampiasam-bola amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana.

Nanambara ny Ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola fa henony ny fangatahan’ny Solombavambahoaka, ary nanamarika izy fa efa nampiakarina ny teti-bola ho an’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana.

Nanome fanazavana manokana ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola nandritra ny fivoriambe omaly talata ny mahakasika ny Rothschild & Co, izay nomarihiny fa mpanolotsaina fa tsy miditra amin’ny fiandrianam-pirenena, na ny fanapahan-kevitra raisin’ny Fanjakana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.