Dian'ny Filoham-pirenena taty SAVA : Nampiady ny vilany sy omby nomena

  • mercredi, 10 novembre 2021 19:02
  • Tigre
  • Sary nindramina fampihaingoana

Mialohan'ny fahatongavan'ny Filoham-pirenena taty amin'ny faritra SAVA, dia nialohavana minisitra maromaro andro vitsy, andamina ny mpanao lavanila izay tsy faly amin'ny zava-nitranga momba ity sehatrasa ity, indrindra ny fitotongan'ny vidin'ny lavanila izay fampanantenana nataon'ny Filoha fa hakarina izany vidin-davanila izany.

Nisy ihany koa ny fanentanana ny olona hiatrika sy hitsena ny Filoham-pirenena, ka maro ireo notaterina tamin'ny fiarabe avy ambanivolo rehetra.

Nisy omby 18 novonoina nozaraina tamin'ny olona, ny tao Sambava fotsiny, ary nisy ny mpihira malaza izay nandaniana vola be hanentana sy anampy amin'ny famoriam-bahoaka.

Tetsy ankilany anefa dia nampanantenaina ireo ben'ny tanàna tato amin'ny Faritra SAVA fa izay mahavory vahoaka dia omena vilany be sy omby.
Misamaritaka anefa ny ben'ny tanàna sasany izay milaza fa nahavory olona maro nefa tsy nahazo ny vilany be sy ny omby nampanantenaina.

Misy ihany koa ny olona no nanontany tena avy hatrany, fa nahoana ny maire ihany no nomena ny vilany sy ny omby, ka nikorontana ireo fikambanana niezaka namory olona nefa tsy nahazo ilay fanomezana.

Raha tombanana dia tsy latsaky ny 1 miliara ariary ny fandaniana tamin'iny ezaka famoriam-bahoaka nataon'y filoham-pirenena iny nandritra ny fitsidihina natao ny faritra SAVA, nefa ny vahaolana nentiny dia ny famerana ho 15 000ar ny vidin'ny lavanila manta ary dizitalizasio, ho an'ny mpikirakira lavanila.

Sekoly ato amin'ny faritra SAVA anefa maro ireo tsy misy dabilio sy seza akory.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.