Fiarovana ny fampiasam-bola : Nihaona tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ny avy ao amin'ny GEM

  • mercredi, 10 novembre 2021 16:50
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tonga teny Faravohitra ireo solontenan’ny Vondron’ny Mpandraharaha eto Madagasikara (GEM), notarihin’ny Filohany, Atoa Rajaona Thierry, ny Talata 09 Novambra 2021.

Nihaino ny hetahetan’izy ireo ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza, ho fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fiaraha-miasa.

Voalohany amin’ireo ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Fitsarana. Maika arak'izany ny famerenana ny fahatokisan’ireo mpandraharaha Malagasy ny Fitsarana satria iankinan’ny fampandrosoana ny firenena ny fandraharahana ka mila arovana.

Tafiditra anaty andraikitry ny Ministeran’ny Fitsarana ny fiarovana ny fampiasam-bola sy ny famatsiam-bola eto Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.