Mpirakiteny Mpanatoa Soratra : Miisa 68 izao izy ireo manerana an'i Madagasikara

  • dimanche, 17 octobre 2021 20:13
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tontosa ny Zoma 15 Oktobra 2021 tetsy amin'ny Lapan'ny Tanàna Analakely – Antananarivo Renivohitra ny fifamindram-pahefana eo amin'ny filoha vaovao sy filoha teo aloha eo anivon'ny fianakaviamben'ny Mpirakiteny Mpanatoa Soratra (Notaires).

Nandray ny toerany ny filoha vaovao, Maitre Andriamanalina Andrianjaka, nandimby an'i Maître Razanadrakoto Rijanirina, ary hiasa mandritra ny roa taona azo havaozina in-dray mandeha.

Miisa 68 izao ny isan'ireo Mpirakiteny Mpanatoa Soratra manerana an'i Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.