Fianarantsoa : Vita ny Fonjabe vaovao mahazaka voafonja 1 000

  • dimanche, 10 octobre 2021 13:38
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tontosa ny Sabotsy 9 Oktobra 2021 teto amin’ny Fokontany Volamena, Kaominina Ambalakely, eto Fianarantsoa ny fanolorana ny Fonjabe vaovao sy manara-penitra, izay mahazaka hatramin’ny voafonja 1 000 isa.

Nanolotra fiara iray avy amin’ny tenany manokana mba hitaterana ireo voafonja ihany koa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Tanjona ny haha-toerana fanarenana sy fanabeazana ary fanajana ny zon’olombelona ny fonja, fa tsy ho toerana fanasaziana fotsiny ihany, satria hisy amin’izy ireo no hiverina eny anivon’ny fiaraha-monina rehefa vita sazy, na koa voatsara. Na dia mifonja ary izy ireo dia manana zo, hoy ny Filohan’ny Repobika.

Ho an’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, IMBIKI Herilaza, dia tarigetra ny fahatrarana ny taha 70/30, ho voatsara ireo voafonja 70% mialoha ny faran’ny taona, sy hanenana ny isan’ny voafonja, ary ny fanavaozan-drafitra sy fanohanana.

Ankoatra izay, dia nisy ny fanaovan-tsonia fifanarahana niarahany tamin’ny Ben'ny Tanànan’ny Kaominina Ambalakely. Fifanarahana miompana amin’ny fanomezan’ny Ministeran’ny Fitsarana ny ampahan-tany efa misy ny “Lycée” ho n’ny Kaominina, izay tafiditra ao anatin’ny velaran-tany tokony ho an’ny Ministera.

Dingana manaraka araka izany ny famitana “titre” sy fametrahana “borne” amin’ity “Lycée” ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.