Maroalomainty : Tsy tanteraka ny fitokanana ny fotodrafitrasa vaovaon’ny Brigadin’ny Zandarimaria

  • vendredi, 01 octobre 2021 09:25
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Raha voalahatra hotokanan'ny filoham-pirenena ny alakamisy 30 septambra 2021, dia tsy tontosa ny lanonam-pitokanana ny foto-drafitrasa vaovaon’ny Brigadin’ny Zandarimaria ao amin’ny Kaominina Maroalomainty, Distrika Ambovombe, Faritra Androy.

Resaka an-jorony no heno, rehefa niandry adim-pamantaranandro enina ny tao an-toerana, fa tsy ho avy hitokana ny filoha raha tsy misy fanaka ny trano.

Nifarimbona tao daholo ny rehetra, na sivily na zandary na mpitondra tao an-toerana hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity nanomana ny lanonana. Najanona avokoa ny andavanandrom-piainana fa nanadio, nandamina satria tamin’ny 9ora maraina ny fotoana nomen'ny tao fiadidiana ny Repoblika ny tao an-toerana hanaovana ny fitokanana.

Vao maraina dia fa feno zandary teo amin’ny toerana misy ny foto-drafitrasa. Vory maro ihany koa ny Vahoaka sy ny olom-boafidy avy ao amin’ny Kaominina Maroalomainty.

Efa nipetrapetraka daholo ny tranoheva, ny pilipitra, ny karipetra mena, ny “ruban” hotapahana. Efa voapetaka hatramin’ny takelaka “marbre” mirakitra ny anaran'ny filoham-pirenena sy ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena mariky ny fitokanana.

Tsy nipoitra anefa ny nandrasana na efa sasa-niandry tapak’andro teo aza ny rehetra, fa hoe : tsy manaiky hitokana ny asa satria tsy misy fanaka ny trano.

Serasera tsy niampita sa tsy nifanaraka ny fiadidiana ny Repoblika sy ny Zandarimariam-pirenena ?

Ny heno avy atsy andaniny mantsy dia hoe : mifindra trano ao tanteraka, miaraka amin’ny entany izay zandary hipetraka amin’ny trano vao namboarina ho azy ireo, ankilany anefa izany ny filoha mila trano misy fanaka ho atolotra, izay tsy tao anaty vinavina mialoha.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.