Andry Rajoelina tao Ambovombe : Fitokanana zava-bita sy famelan-keloka

  • vendredi, 01 octobre 2021 09:23
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Mitsidika ny any Androy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady nanomboka omaly alakamisy 30 septambra ary hitohy hatramin’ny 3 oktobra 2021.

Nanamarika ny andro voalohan’ny diany tany Ambovombe Androy ny fijerena sy fanolorana ireo fotodrafitrasa fampandrosoana naorina amin’iny faritra iny, ary koa ny famelan-keloka ireo voatana am-ponja noho ny disadisa tamin’ny fanombohan’ny fanatanterana ireo tetikasa sasany, toy ny nitranga tao Ambovombe ny aprily 2021 tamin’ny fanorenana tsena manarapenitra.

Androy no faritra voalohany notsidihan’ny filoham-pirenena taorian’ny diany tany New-York ka nahazoan’i Madagasikara ny vola fanampiana tsy averina mitentina 332 tapitrisa dolara.

Androy no isan’ny hisitraka voalohany izany vola izany amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny tetikasa famatsian-drano ny faritra Atsimo amin’ny alalan’ny fametrahana fantsona goavana na « pipeline » miainga avy any Efaho Tolagnaro ka hipaka any Ambovombe.

Hiroso tsy ho ela ny tolo-bidy sy ny tolo-barotra hanatanterahana ny asa raha ny nambaran’ny filoha.

Hanomboka mialohan’ny faran’ity taona ity ihany koa, hoy ity farany ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 mampitohy an’i Tolagnaro sy Ambovombe ary hipaka hatrany Ihosy izany.

Hatao laharam-pahamehana ihany koa ny fametrahana ireo "cantines scolaires" amin’ny sekolim-panjakana isaky ny distrika. 342 ny isan'izy ireo ka isan'ny hisitraka izany ireo CEG miisa 33 sy lycée 5 ao Ambovombe.

Tetsy ankilany ny Raiamandreny sady filoha lefitry ny CFM (Conseil du Fampihavanana Malagasy) Latimer Rangers dia nangataka ny hamotsorana ireo mpiray tanindrazana noho ny disadisa tamin’ny fanombohana ireo tetikasa sasany ka nanambara ampahibemaso ny filoha Rajoelina fa mamela heloka azy ireny, ary nanome toromarika ny minisitry ny Fitsarana amin’ny fanatanterahana izany.

Mifanindran-dalana amin'izao fitsidihana izao ny asa fananganana ny CRNM na ny ivon-toerana fanarenana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana ao Ambovombe. Hisy fizarana sakafo mandavan-taona eto aorian'ny fahavitan’ity ivon-toerana ity.

Fisantarana izany dia mponina miisa 400 no nizarana hanimasaka omaly, ary mponina miisa 1 000 hafa ihany koa no hotolorana sakafo mba ho vatsin'izy ireo.

Vita soa aman-tsara ny lalana rarivato ao an-tampontananan'Ambovombe. Vita ary notokanana ny CSB 2 Maroalomainty, toy izany koa ny fametrahana ireo Tantsaha misitraka ny tetik'asa « Titre vert » ao Anarafaly ho fanatsarana ny fihariana.

Nijery ifotony ny tetikasa fitazomana ny dogom-pasika tsy kaohin'ny rivotra ihany koa ny filoha.

Nitondra teny fisaorana tamin’ny anaran’ny vahoakan’Androy, ny amin’ireo foto-drafitrasam-pampandrosoana sy ny andalam-panatanterahana handresena ny kere ny depiote voafidy tao an-toerana, sady Kestora Henri Jean-Michel, niatrika izany ihany koa ny depiote Milavonjy Philobert.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.