Dr Mahatante Tsimanaoraty Paubert : Nangata-tsodrano tany Androy taorian’ny nanandrena azy ho Minisitry ny Jono sy toe-karena manga

  • jeudi, 30 septembre 2021 13:43
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tonga tao Ambovombe Androy ny Dr Mahatante Tsimanaoraty Paubert taorian'ny nahavoatendry azy ho Minisitry ny Jono sy toe-karena manga.

Nangata-tsodrano tamin'ireo Raiamandreny izy amin'izao andraikitra vaovao nankinina aminy izao ; nirary soa sy nivavaka ho azy ireo Raiamandreny, ary nilaza ny rehetra fa vonona ny hifanome tanana sy hifanampy hampandrosoana ny Faritra Androy tsy amin'ny sehatry ny Jono ihany fa amin'ny lafiny rehetra.

Nanomana fitsenana sy fandraisana manokana an’i Dr Mahatante Tsimanaoraty Paubert ny tao Ambovombe, ary niray feo ny rehetra fa hanambatra ny hery, ka Androy mandroso no tanjona iraisana.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.