Filohan'ny Vondrona Afrikanina : Nandefa iraka nitondra teny fankaherezana ny Filoha Andry Rajoelina

  • samedi, 31 juillet 2021 19:53
  • Zakaria
  • Sary : Prezidansa

Noraisin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nihaona taminy teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, androany 31 jolay 2021, ny iraky ny Filohan'ny Repoblika Demokratikan'i Congo, Felix Tshisekedi, izay sady Filohan'ny Vondrona Afrikanina

Ny delegasiona, izay notarihin'Atoa. Nicolas Kazadi Kadima, izay Minisitry ny fitantanam-bolan'i Congo, dia nitondra ny teny fankaherezana tamin'ny Filoha Andry Rajoelina mikasika ireny fikonokononana hifofo ny ain'ny Filoham-pirenena Malagasy ireny.

Noresahana nandritra ity fihaonana ity ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin'i Congo sy Madagasikara ary ireo fanamby iraisana eo amin'ny samy firenena Afrikanina sy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.