Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy : 1 300 ny atontan-taratasy teo ampelantanan’ny CFM

  • vendredi, 09 juillet 2021 10:52
  • Zakaria

Nisokatra ny alakamisy 08 jolay 2021 tao amin’ny ivon-toerany tao Ampefiloha Antananarivo ny fivoriana faharoa ny taona 2021 ny mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy, tarihin’ny filohany Maka Alphonse.

Noho ny valanaretina Covid-19 izay nianjady teto amin’ny firenena dia nahemotra ity fivoriambe ity raha tokony ho tamin’ny volana jiona teo no nanantanterahana azy.

« Misy ny fifandranitana amin’ny samy mpanao politika, amin’ny gazety sy tambazotran-tserasera, mitarika fifankahalana izany. Ilaina ny fifampiresahana, ka izany ny nahatonga ny CFM hiroso amin’ny fananganana ny « espace de dialogue » na ny « espace de concertation », sehatra ifanakalozana hevitra sy handrosoana volavolan-kevitra ho fanatsarana ny fitoniana eto amin’ny firenena », hoy ny filohan’ny CFM Maka Alphonse.

Araka ny fanazavan’ity farany hatrany dia efa nalefa any amin’ny CSIA (Commission spéciale indépendante pour l’Amnistie) eo anivon’ny Fitsarana tampony (Cour supreme) ireo atontan-taratasy 1 300 teo am-pelatanan’ny CFM momba ny famotsoran-keloka (amnistie), ny réparation de carrière, ary ny indemnisation.

Momba ny fanonerana (indemnisation) dia tsy maintsy misy didim-panjakana, hoy izy, milaza ny pitsopitsony momba izany, efa nomena ny minisiteran’ny Fitsarana ny antotan-taratasy. Efa lasa natolotry ny minisiteran’ny Fitsarana ny minisiteran’ny Fitantanam-bola izany.

Momba ny fanonerana arak’asa indray (réparation de carrière), ho an’ireo sivily sy miaramila, ho an’ireo izay nahatsapa fa noho ny safidy politika dia voaelingelina ny fisondrotana arakasan’izy ireo (avancement), dia eo ampanaovana fanadihadiana ny CFM, hoy hatrany ny fanazavany.

Marihina fa 3 taona aorian’ny nipetrahany amin’ny toeran’ny CFM no fara-fandraisana ny antotan-taratasy. Ny fanonerana arak’asa sisa azo raisina amin’izao fotoana izao, ankoatr’izay efa tapitra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.