Didier Ratsiraka : Manao antso avo ho fanairana ny isam-batan'olona sy ny Malagasy

  • dimanche, 15 novembre 2020 17:45
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanao fanambarana miendrika antso avo tao amin’ny pejy facebook ny filoham-pirenenan'i Madagasikara teo aloha Didier Ratsiraka, manoloana ny trangan-javatra miseho manodidina ny baolina kitra sy ny fahasalamam-bahoaka.

Indro averina eto manontolo izany :

« Amin’ny maha zoky ray amandreny ny tenanay, amin’ny maha mpilalao iraisam-pirenena tao amin’ny Ekipa malagasy teo amin'ny sehatry ny baolina kitra ny tena, ary amin’ny maha filoham-pirenenan'i Madagasikara teo aloha anay, dia toa mahatsiaro tena manana andraikitra sy adidy ihany noho ny trangan-javatra misy.

Koa, manao izao antso avo izao ho fanairana ny isam-batan'olona sy isika Malagasy rehetra tsy vaky volo ny tenako, satria mbola mitoetra eto amintsika mandrak'androany ny valan'aretina corona virus.

1- Toa hoe tsy voahaja ny fitondrana aro vava sy orona sy ny elanelana ara-pahasalamana nandritra ny fijerena ireo lalao fiodinana voalohany izay nalefa mivantana tamin'ny "ecrans geants" nifanandrinan'i Barea sy Côte d’Ivoire?

2- Tsy voahaja ihany koa ny fepetra mikasika ny elanelana ara-pahasalamana sy ny fanaovana aro vava sy orona nandritra ny lanonana fitsenana ny Barea tao Toamasina izay niendrika karnaval.

3- Tsy fantatro ihany koa fa toa hoe raha ny vokatry ny fitiliana natao, dia mitondra ny tsimokaretina i Zotsara sy mpikambana 2 mpiandraikitra ao amin'ny Barea, araka ny voalazan'i Faneva Ima tao amin'ny pejy facebook-ny.

Raha izany tokoa mantsy no voamarina dia tena zava-doza tsy roa aman-tany no hitranga, satria voalohany dia mety hamindra ny tsimokaretina amin'ireo mpilalao hafa ao amin'ny Barea sy ny Côte d’Ivoire izy ireo, fa koa mety hisy fifindran'ny tsimokaretina faobe indray, izay mety hanenika an'i Madagasikara iray manontolo.

Manoloana izany dia mivavaka amin'ilay Mpahary izao tontolo izao sy mpanasitrana ny aretina rehetra aho, ary mangataka amin'ny anarany masina, mba tsy ho tonga eto amin'ity firenena ity sanatria, ny fiodinana faharoa amin'izany trangan'aretina mpandringana izany.

Am-panetretena lehibe Didier Ratsiraka »

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.