CENI : Fiomanana amin'ny fifidianana Loholona

  • mercredi, 04 novembre 2020 19:18
  • Zakaria
  • Sary Njaka

Tontosaina eto amin'ny foibe CENI Alarobia ny Sehatra ifampidinihana manodidina ny fifidianana Loholon'i Madagasikara, izay hatao ny 11 Desambra 2020 izao.

Fanakalozan-kevitra andraisana fanakianana ho fampandrosoana ny fifidianana. Modely aty afrika ny CENI eto madagasikara hoy ny filohan'ny CENI.

Mifarana amin'ny febroary 2021 ny fotoam-piasan'ireo Loholona.
Ny ben'ny tanana sy ireo mpanolontsain'ny tanàna voafidy vokatry ny fifidianana natao farany teo no mpifidy lehibe.

Amin'ny 11 novambra 2020 ny lisitry ny mpifidy no mifarana araka ny and-3 amin'ny didim-panjakana 2020-1112.
Manomboka ny 19 novambra 2020 ny fampielezan-kevitra, ary hifarana ny 9 desambra 2020 amin'ny 12ora alina.

Ny 10 desambra 2020 ny andro fanajana ny fahanginana ao alohan'ny fifidianana.
Ho ampitaina ny spécimen an'ilay bulletin unique.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.