Fetim-pirenena: Tsy hatrehan'ny Vahoaka ny matso eo amin'ny araben'ny fahaleovantena

  • mardi, 23 juin 2020 21:32
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary nindramina fampihaingoana

Ho fiarovana ny tsy hiparitahan'ny valan'aretina Covid-19 no voalaza fa nandraisana ny fepetra sy fandaminana fa tsy hatrehan'ny Vahoaka ny matso ho tanterahina ny 26 jona 2020 eny Analakely ho fanamarihana ny faha 60 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara fa ho arahina mivantana amin'ny haino aman-jery.

Tsy azo ivezivezena eo amin'ny Araben'ny fahaleovantena sy ny manodidina (Antanimena, Behoririka, Ambodifilao, Ambohijatovo, Antaninarenina, Ambatonakanga, Amparibe, manodidina ny farihin'Anosy, Ampatsakana, Tsaralalàna, Ampasamadinika) ny 24, 25 ary 26 jona.

Mikatona avokoa ny tsena rehetra (Pochard, Petite Vitesse, Pavillon...), magazay, toera-pilanonana, ny sekoly, ny birao ary ireo toerana rehetra mety hampitangorona olona ao anatin'ny faritra voalaza.

Hanenika ny tanàna ny mpitandro filaminana hampanaja ny lamina voafaritry ny didim-pitondrana mandrindra ny fifamoivoizana sy ny fivezivezen’ny olona.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.