« Nosy Malagasy»: Nisy hetsi-pitakiana nanoloana ny masoivoho Frantsay eo Ambatomena

  • vendredi, 19 juin 2020 18:54
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nisy sorabaventy sy fanambarana nataona andian’olona mitaky ny hamerenana amin’i Madagasikara ireo « Nosy Malagasy» androany atoandro teo anoloan’ny masoivoho Frantsay eo Ambatomena Antananarivo.

Anisany nitarika sy nandray anjara tamin’ity hetsika ity ny antoko Otrik’afo, ireto farany izay nampahatsiahy fa « manakaiky ny datin'ny 26 jona 2020, fotoana nampanantenain'ny Filoha Andry Rajoelina hiverenan'ireo « Nosy Malagasy» ireo amin'ny Malagasy ; koa mila asa izany fa tsy kabary fotsiny ».

Nizotra tamim-pilaminana ny hetsika ary nahazoana alalana ihany koa.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.