Bolivie: Voafidy ho filoha tamin’ny fihodinana voalohany i Evo Morales

  • vendredi, 25 octobre 2019 23:00
  • Zakaria
  • Sary nindramina

47,07% amin’ny vato manankery no azon’i Evo Morales, 36,51% ny an’i Carlos Mesa mpifaninana aminy. Ampy hahavofidy azy ho filoha tamin’ny fihodinana voalohany ny elanelana 10% amin’ny mpifaninana manaraka azy araka ny lalàna manankery any Bolivie.

Miteraka resabe any Boivie ity fifidianana ity, tsy mbola vokatra ofisialy rahateo io, na dia efa nanao fanambarana azy i Evo Morales fa voafidy indray hitantana an’i Bolivie izy.

Tamin’ny taona 2006 i Evo Morales no efa teo amin’ny fitondrana. Fotoam-piasana fahaefatra ho azy indray ity, hitondra an’i Bolivie eo anelanelan’ny 2020 hatramin’ny 2025.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.