« Iles éparses »: Hajoro alohan' ny 18 novambra 2019 ny Vaomiera iombonana

  • jeudi, 24 octobre 2019 21:04
  • Zakaria

Tamin’ny fihaonan’ny filoha frantsay Emmanuel Macron sy ny filoha malagasy Andry Rajoelina, nandritra ny fitsidihana ofisialy nataon’ity farany tany Frantsa tamin’ny mey 2019 no voalazan’ny roa tonta fa hatsangana ny Vaomiera iombonana handinika ny momba ireo nosy manodidina (Iles éparses). Nampahatsiahy tamin’ny tambazotra sosialy i Andry Rajoelina androany fa « hajoro alohan' ny 18 novambra 2019 ny Vaomiera iombonana momba ireo nosy éparses ireo ».

Tao ihany koa no nanambarany fa « ny fanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fiarovana ny tombotsoantsika dia tsy maintsy takiana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ».

Mitranga ity fanehoan-keviny ity, ny ampitson’ny nanaovan’i Emmanuel Macron fanambarana teo amin’ny torapasiky ny nosikely Glorieuse, iray amin'ireo nosikely mandrafitra ny nosy manodidina na "iles éparses" raha nitsidika tany izy ny alarobia 23 oktobra 2019, fa « Ici, c’est la France » ; fanambarana izay niteraka resabe sy hatezerana ho an'ny ankamaroan'ny Malagasy.

Alohan'ny fankalazana ny faha-60 taona ny fahaleovantena no fe-potoana nofaritana fa handrosoan'io vaomiera io ny vahaolana mikasika ireo nosy manodidina ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.