Fiainan’Antoko: Hanao fivoriambe ny HVM

  • samedi, 19 octobre 2019 14:15
  • Zakaria

Hanao fivoriambe ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) amin’ny volana novambra 2019, araka ny fampahafantarana nataon’i Rachidy Mohamed, Sekretera jeneraly nasionalin’ny antoko ny 18 oktobra 2019. Tanjona amin’izany ny ho fandrindrana sy fandinihana ny fiainan’ny antoko hoy hatrany ity farany.

Nisafidy ny hangina ny HVM taorian’ny fifidianana filoham-pirenena fihodianana voalohany ny taona 2018. Tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin’ny 27 mey 2019, ary tsy nandahatra kandida amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna izay hatao amin’ny 27 novambra 2019 ihany koa ity antoko ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.