Rina Randriamasinoro: Nidina nizaha ny zava-misy teny Andravoahangy

  • samedi, 19 octobre 2019 13:39
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Andravoahangy, Boriborintany fahatelo, toerana misy tsena isan’ny ifamezivezen’ny olona maro eto Antananarivo Renivohitra. Tety an-toerana no nidinan’i Rina Randriamasinoro androany marain’ity sabotsy 19 oktobra 2019 ity, sy ireo kandida mpanolontsaina avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara miaraka aminy, amin’ny fifidianana hatao amin’ny 27 novambra 2019.

Nijery ny zava-misy, nihaino ireo mpivarotra sy ny mpanjifa ary nitondra vahaolana amin’ny handaminana ny tsena i Rina Randriamasinoro.

Niaraka tamin’izy ireo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny depiote Feno Ralambomanana, voafidy tao amin’ny Boriborintany fahatelo Antananarivo Renivohitra.

« Mahavita be mihoatra noho ny asa vitako i Rina Randriamasinoro. Mahay sy mahavita io», hoy i Marc Ravalomanana raha nampahafantatra an'ity kandida ben'ny tanàna ity .

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.