Rina Randriamasinoro: Miantso ny rehetra hiara-dalana aminy

  • mercredi, 16 octobre 2019 20:59
  • Zakaria
  • Sary nindramina

« Tsy sangisangy ny fitantanana ny tanàna, fa mila fahavonona », hoy i Rina Randriamasinoro ao amin'ny pejiny Facebook. Ny fandehanako "naka traikefa" tany ivelany dia anisan’ny porofo fa "vonona aho" hampandroso ny tanàna.

Nanambara i Rina Randriamasinoro fa matipaika ankehitriny ny fandaharan'asany ka iantsoany ny rehetra hiara-dalana aminy amin'ny fanatanterahana izany.

Natao androany tao amin'ny foiben-toeran'ny antoko Tiako i Madagasikara ny fanolorana sy fitsofan-drano an'i Rina Randriamasinoro, kandida Ben'ny tanàna eto Antananarivo renivohitra, sy ireo kandida Mpanolontsain'ny tanàna miaraka aminy. Nitarika ny filoha nasionalin'ny antoko dia ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana, nanotrona sy naneho fanohanana ireo kandida ihany koa ireo depiote Tiako i Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.