Rina Randriamasinoro: Nikatsaka izay hampandrosoana an’Antananarivo

  • mardi, 15 octobre 2019 15:29
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Hiverina an-tanindrazana anio i Rina Randriamasinoro rehefa avy tany Eorôpa sy Etazonia nihaona tamin’ireo Malagasy mpilaravinahitra any ivelany, nampahafantatra azy ireo ny vinam-pampandrosoana ho an’Antananarivo sy ny antom-pirotsahany.

Nisy ny fihaonan’ity kandidan’ny Tiako i Madagasikara, amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra ity, tamin’ireo olom-boafidy, indrindra Ben’ny tanàna na tao Frantsa izany na tany Etazonia, nifanakalozana traikefa, nifampizarana fomba fijery ary nandrafetana fiaraha-miasa. Nisy ihany koa fihaonany tamina teknisianina samihafa sy mpanapa-kevitra ary solontenan’ny mpamatsy vola.

Fahombiazana ny diany, maro ny naneho fahavononana hiara-hiasa sy hanohana ka hanao tantsoroka azy amin’izay hampandrosoana an’ity renivohitr’i Madagasikara ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.