Firenena Mikambana: Tsy mbola nahavoaloa ny anjara latsakemboka 2019 i Madagasikara

  • mardi, 15 octobre 2019 12:01
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Eo anelanelan’ny 1 janoary ka hatramin’ny 31 desambra ny taona diavina no fandoavan’ny governemantan’ny firenena mpikambana eo anivon’ny Firenena Mikambana ny latsakemboka ho an’io taona diavina io.

0,01% miohatra amin’ny tetibolan’ny Firenena Mikambana ny anjara latsakembok’i Madagasikara, taha izay iraisany amin’ireo firenena andalam-pandrosoana rehetra.

2,4 lavitrisa dôlara ny tetibolan’ny Firenena Mikambana taona 2019. Eo amin’ny 240 000 dôlara ny 0,01% ka 32 000 dôlara no tsy mbola voaloan’i Madagasikara amin'io latsakemboka 2019 io.

Manana roa volana sy tapany eo ny governamanta Malagasy hanefana ny anjarany, fa na izany aza efa tara ihany satria efa saika nahaloa avokoa ny mpikambana rehetra.

Raha tena tsy mahaloa latsakemboka moa ny firenena mpikambana iray dia tsy mahazo mandatsa-bato na mandray anjara amina fifidianana ao amin’ny Firenena Mikambana, saingy rahefa mahaloa ilay fetra farany ambany dia mahazo mifidy ihany.

Nanomboka tamin’ny 20 septambra 1960 i Madagasikara no mpikambana feno eo anivon’ny Firenena Mikambana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.