Antoko PSD: Mitohy ny tolona mba hankalazan'ny fitondram-panjakana indray ny datin'ny 14 oktobra

  • lundi, 14 octobre 2019 15:25
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Manan-danja tokoa ny datin'ny 14 oktobra 1958, hoy ny antoko PSD tamin’ny alalan’i Eliana Bezaza, Sekretera Nasionalin'ny antoko, satria sady fahafahana tamin'ny fangejàna izy io, no sady fototra niorenan'ny Repoblikan’i Madagasikara. 61 taona izao, hoy ny fanambarana, no nahazahoantsika Malagasy ny Repoblika, izay tsiahivina fa azontsika tamin'ny 14 oktobra 1958. Foana teo ny didy fanjanahan'ny Frantsay atsika tamin'ny 6 aogositra 1896

Mampahatsiahy ny antoko PSD fa ny Repoblika dia manana soatoavina, dia ny fiaraha-monina mirindra ao anatin'ny fitovian-jon'ny rehetra, ny zon'ny tsirairay mba hivoatra amin'ny fiainany amin'ny talenta sy natiora izay azontsika tsirairay tamin'ilay Nahary, ary ny fanomezana riziky mitovy ny tsirairay (égalité des chances) na mijaly, na manam-bola, na lehilahy na vehivavy, na fotsy na mainty, na inona firehana politika sy fivavahana, dia ny fianarana, ny finiavana sy ny fiezahana handroso amin'ny fiainana no loharanon'ny fahombiazana, ary anjaran'ny fitondram-panjakàna no mametraka sy mampirindra ny tontolom-piaraha-monina, ekonomika sy politika izay mifanaraka amin'izany.

Masina izany fototry ny Repoblika izany, ka izay no antony tsy azo hanadinoina ny fankalazana ny 14 oktobra. Koa mitohy hatrany ny tolona, hoy ny PSD mba hankalazan'ny fitondram-panjakana indray ity daty malaza ity, izay tsy nahazahoana valinteny mahafa-po hatramin'izao.

Ny tsy fankalazàna io daty io, hoy hatrany ny fanambarana, dia tsy fanisiana hasina ny votoatin'ny Repoblika sy ny soatoavina fonosiny ary ny fototra iorenan'ny fanjakana malagasy. Tsy mahagaga raha hitsakitsahina ny lalàna fototra, miha-very isan'andro ny soatoavina, ary indrindra ny fitovian-jo eo amin'ny samy Malagasy ka mitarika korontana ara-piaraha-monina tsy manam-petra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.