Bâtir la République: Mankalaza ny faha-61 taona ny maha Repoblika an'i Madagasikara

  • lundi, 14 octobre 2019 09:42
  • Zakaria

Tsy handalo fotsiny ny datin’ny 14 Oktobra 2019 ho an’ny BR (Bâtir la République). Mitsingerina amin’ity anio ity ny faha-61 ny maha Repoblika an'i Madagasikara. Manomana hetsika ho fankalazana tsingerin-taona izany ny BR amin’ity anio ity.

Hatomboka amin’ny fitsidihina ny Lapan'ny Praiminisitra eny Andafiavaratra – Antananarivo izany anio amin’ny fiandohan’ny tolakandro. Hitohy amin’ny fitsidihina ny « Musée de la photographie de Madagascar » eny Andohalo ny dia, ny fiafaran’ny tolakandro.

Famelabelarana arahina adihevitra mahakasika ny « Toeran'ny fahefana ara-drazana ao anatin'ny rafitra Repoblikana » no hamarana ny fandaharam-potoana amin’ity anio ity. Hifarimbona amin’io famelabelarana io i Lomotsy Ludovic, Mpitsara, ary Rabearison Vahömbey, Injeniera ara-kolontsaina sady Mpanandro, ary Randriamaniraka Michaël, mpahay momba ny fifandraisan’ny kolontsaina sy politika.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.