Fifidianana kaominaly: Nanomboka atsy Afrika Atsimo ny fanontàna ireo taratasim-pifidianana

  • samedi, 12 octobre 2019 08:39
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Atonta atsy Afrika Atsimo nanomboka tamin'ity herinandro ity ireo taratasy fitànana an-tsoratra sy valopy hasiana ireo voka-pifidianana ho an'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsain'ny Tanàna, izay hotanterahina ny alarobia 27 novambra 2019. Ny tetikasa SACEM (Soutien au Cycle Electoral de Madagascar) no mandray an-tànana ny fanontàna azy ireo.

Eto Madagasikara, ao amin’ny Trano printim-pirenena, ary efa manomboka ihany koa ny fanontana ireo biletà tokana, miisa 21 tapitrisa.

Kaominina miisa 45 amin’ireo 1695 manerana ny Nosy no ahitana kandida tokana amin’ny fifidianana Ben'ny tanàna. Kaominina miisa 148 kosa no ahitana kandida tokana amin’ny fifidianana mpanolotsaina hotanterahina ny 27 novambra io.

Ny "Tribunal Administratif" na ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakana manerana ny faritany 6 eto Madagasikara no hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy 30 andro aorian'ny hamoahan'ny CENI ny vokatra vonjimaika. Ny Filankevi-panjakana na ny ''Conseil d'Etat" kosa no mandinika ireo tsy fanarahan-dalàna mikasika ny fifanolanana sy tsy fahafaham-po mikasika ny didy izay avoakan'ny Fitsarana misahana ny ady amin'ny Fanjakana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.