Rina Randriamasinoro: Eto an-toerana ka hatrany ivelany

  • vendredi, 11 octobre 2019 19:29
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Manohy ny diany any Eorôpa sy Etazonia i Rina Randriamasinoro, kandida Ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra, atolotry ny antoko Tiako i Madagasikara, mitondra ny laharana faha roa (2) amin'ny bileta tokana, mampahafantatra bebe kokoa ny vina heveriny hitantanana ny tanànan’Antananarivo amin’ireo Malagasy mpilaravinahitra any ivelany, maniry te handray anjara amin’ny fanatanterahana izany.

Nahaliana an’ireo Malagasy mpilaravinahitra tafahaona tamin’i Rina Randriamasinoro ny vinan’ity kandida ity, ary maro ireo nilaza sahady fa hitondra izay anjara biriky azony atao ho fanohanana azy.

Etsy ankilany ireo komity mpanohana azy sy ireo kandida mpanolontsaina miaraka amin’i Rina Randriamasinoro, dia manohy ny fidinana ifotony mitety Fokontany eto Antananarivo Renivohitra mampahafantatra an’ity kandida ity sy ny fandaharanasany, ary koa manatanteraka asa soa miantefa amin’ireo mpiarabelona mila tolotanana sy tantsoroka.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.