Fifidianana mpanolotsaina: Kaominina miisa 8 tsy manana kandida

  • mercredi, 25 septembre 2019 18:39
  • Zakaria

4 960 ireo filatsahan-kofidiana mpanolotsaina voaray teny anivon’ireo OVEC manerana ny Nosy. Nolavina ny 58 tamin’ireo ; miisa 4 902 ny filatsahan-kofidiana nekena.

Miisa 8 ireo Kaominina izay tsy manana kandida, dia ny Kaominina Mahabe, Distrika Besalampy. Amparihintsokatra sy Antsangasanga ao amin’ny Distrika Ambatondrazaka. Ambatofisaka II, Ambodinonoka, Andonabe Sud, Lohavanana ary Sahakevo ao amin’ny Distrika Marolambo.

Miisa 148 ireo Kaominina ahitana kandida tokana amin’ny fifidianana mpanolotsaina.

Ho an’ireo Kaominina rehetra tsy ahitana kandida ho Mpanolotsain’ny tanàna dia tsy misy ny fifidianana Mpanolotsaina. Ireo kaominina manana kandida tokana kosa dia miroso hatrany amin’ny fifidianana na ny an’ny Ben’ny Tanàna izany na ny an’ny Mpanolotsain’ny tanàna.

Mbola mety hisy fiovana ireo antotanisa ireo hatramin’ny sabotsy 28 septambra 2019, iandrasana ny didy avy amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, mikasika ireo filatsahan-kofidiana nolavin’ny CENI ka nakarin’ny kandida.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.