Tsy fanatanterahana didim-pitsarana: Vaky ny ady eo amin’ny Minisitry ny Fitsarana sy ny Talen’ny « Bureau des doléances » Prezidansa

  • dimanche, 22 septembre 2019 19:03
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nivadika ho fifanandrinana mivantana eo amin’ny minisitry ny fitsarana Randrianasolo Jacques sy ny Talen’ny « Bureau des doléances » eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, Rakotomanana Richardson ny tsy fanatanterahana didim-pitsarana mikasika ady tany tao Sambava.

Nitarika delegasiona namita iraka mikasika ady tany tao Sambava ny Talen’ny « Bureau des doléances » eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Nisy fihaonana mikaton-trano nifanaovan’ny iraka tamin’ireo nahazo rariny teny amin’ny Fitsarana, mikasika ny ady tany, ny zoma 20 septambra teo. Vahaolana hafa no naroson’ny iraka avy amin’ny Prezidansa fa tsy ny fampiharana didim-pitsarana.

Tsy nahafaly ny minisitry ny fitsarana ny fandrenesana io tsy fanatanterahana didim-pitsarana io, ary noraisiny ho fanakorontanana sy fampisaraham-pazana ary fanosoram-potaka ny filoham-pirenena. « Inona no maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara, raha didim-pitsarana izay efa didy raikitra no tsy ampiharina », hoy ny minisitra izay tonga tao Sambava izy ny sabotsy 21 septambra nitarika lanonana amin’ny hanorenana fonja vaovao ao an-toerana. « Ny mandray fitarainana no andraikitry ny « Bureau des doléances », dia mandinika izany ary manao tolo-kevitra », hoy hatrany ny minisitra.

« Efa nalefako any amin’ny Procureur de la République ny baiko mampisambotra ireo olona ireo ary ny hampidirana azy am-ponja fa manao « entrave à la justice ». Heloka izany tsy fanatanterahana didy izany », hoy ny ny minisitra Randrianasolo Jacques tamin'ny teny hentitra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.