Politique

    • mardi, 19 octobre 2021 07:19
    • Tigre

    Affaire Danil RADJAN : Les familles des accusés ne font plus confiance à la justice malagasy

    « On ne fait plus confiance en la justice Malagasy» décrie les familles des prévenus dans l’affaire Danil RADJAN, en réaction à l’arrêt de cassation du 24 Septembre 2021, qui casse l’arrêt d’acquittement et renvoie le dossier devant la Cour criminelle. Ils ont martelé que les droits de la défense ont été bafoués tout au long des procédures : que leurs aveux ont été extorqués à coups de violences policières, leurs images salies et ternies quotidiennement dans les média et réseaux sociaux, à travers de désinformations qui les désignaient coupables, mais surtout diverses pressions ont été/et sont exercées sur les magistrats en charge du dossier. Au rappel des faits, un ressortissant français « KARANA » a été assassiné en septembre 2020 ; Depuis des polémiques n’ont cessé d’alimenter les réseaux sociaux ;
    Lire la suite ...
    • dimanche, 17 octobre 2021 20:13
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Mpirakiteny Mpanatoa Soratra : Miisa 68 izao izy ireo manerana an'i Madagasikara

    Tontosa ny Zoma 15 Oktobra 2021 tetsy amin'ny Lapan'ny Tanàna Analakely – Antananarivo Renivohitra ny fifamindram-pahefana eo amin'ny filoha vaovao sy filoha teo aloha eo anivon'ny fianakaviamben'ny Mpirakiteny Mpanatoa Soratra (Notaires). Nandray ny toerany ny filoha vaovao, Maitre Andriamanalina Andrianjaka, nandimby an'i Maître Razanadrakoto Rijanirina, ary hiasa mandritra ny roa taona azo havaozina in-dray mandeha. Miisa 68 izao ny isan'ireo Mpirakiteny Mpanatoa Soratra manerana an'i Madagasikara. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 17 octobre 2021 12:27
    • Zakaria

    Vondrombahoakam-paritra : Tsy nisy resaka intsony ny amin’ireo fifidianana kaominaly tokony haverina

    Maty momoka, tsy nisy resaka intsony hatreto ny amin’ireo Kaominina miisa 24 namoahan’ny Fitsarana didy fa tokony haverina ny fifidianana Ben’ny tanàna miaraka amin’ny fifidianana mpanolontsaina. 120 andro aorian’ny naharaisan’ny ministeran’ny Ati-tany ny fampahafantarana ny didim-pitsarana nanambarana ny vokatra ofisialy ny fifidianana Kaominaly natao tamin’ny 27 novambra 2019 navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana no voalazan’ny lalàna fa anatanterahana ny famerenana ny fifidianana. Mbola ny lalàna no manondro fa manao fangatahana volavolana tetiandro avy amin’ny CENI ny governemanta, izay ny CENI vao manolotra ny tetiandro hanatanterahana io fifidianana io.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 octobre 2021 19:38
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Antananarivo Renivohitra : Natombola ny fizarana karinem-pokontany misy “QR Code”

    Nanomboka androany ny fitsinjarana ireo karinem-pokontany vaovao, izay efa misy famantarana manokana na "QR Code" hahafahana manangona sy mandrakitra ny mikasika ny tokantrano tsirairay isam-pokontany. Ny Fokontany Ambatobe Boriborintany faha-5, Ankorondrano Andrefana Boriborintany faha-3 ary Ampefiloha Ambodirano ao amin’ny Boriborintany faha-4 no nisantarana izany. Hanamora bebe kokoa ny fanisana ny mponina ny fampiasana ny karinem-pokontany vaovao, ary hanamora ny fanomezana ireo taratasim-panjakana isan-karazany eny anivon'ireo Fokontany, ary koa hahafahana mahalala ny mikasika ireo karazana fanampiana azon'ny tokantrano ho sitrahana avy amin'ny Fitondram-panjakana, toy ny Tosika Fameno, Vatsy Tsinjo, Sosialim-bahoaka, sns. Miara-dalana amin'ny fampitaovana ara-informatika ireo Fokontany miisa 192 eto Antananarivo Renivohitra ny fanaovana karinem-pokontany vaovao. Hisy fanomezana solosaina sy tetikasa fametrahana Internet amin'ny alalan'ny HOTSPOT WIFI eny anivon'ny Fokontany, ka ny tanjona dia ny hametrahana tanàna nomerika.  (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 octobre 2021 18:18
    • Zakaria
    • Sary : Faritra Sofia

    14 oktobra : Notsaroana tao Antsohihy ny naha Repoblika an’i Madagasikara

    14 oktobra 1958 - 14 oktobra 2021, feno 63 taona katroka androany ny naha Repoblika an’i Madagasikara. Tsy nisy ny fankalazana nasionaly, saingy niavaka ny fankalazana tao amin’ny Faritra Sofia. Tao Anahidrano, tananan’i Filoha Philibert Tsiranana no nanamarihana sy nankalazana izany‚ izay notarihin’ny Governoran'ny Faritra Sofia, Jeneraly Lylyson René de Rolland. Tsaroana isan-taona ary tsy maty kosehina amin’ny tantaran’i Madagasikara ny nahazahoana ny fahaleovantena sy nahaterahan’ny Repoblika voalohany izay notarihin’ny Filoha Tsiranana, zanaky ny Faritra Sofia‚ hoy ity farany. Nanamarika ny fotoana ny dihy sy vakodrazana ary nofon-kena mitam-pihavanana tao amin'ny tranon’ny Filoha Philibert Tsiranana. Teo koa ny fandokoana sy fanatsarana ny tsangambato mipetraka eo anoloan’ny EPP Philibert Tsiranana‚ sekoly nianarany voalohany ao Anjiamangirana‚ Distrikan'Antsohihy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 octobre 2021 09:42
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Ambatofinandrahana : Dinika fandriampalemana sy asa fanamboaran-dalana

    Voasokajy ho isany faritra mena amin’ny asan-dahalo iny Distrikan’Ambatofinandrahana, Faritra Amoron’i Mania iny. Tsy ekena intsony izany, hoy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sady solombavambahoaka voafidy tao Ambatofinandrahana, Razanamahasoa Christine, raha tonga nitsidika tao amin’ity Distrika nahavoafidy azy ity izy, niaraka tamin'ny Goverinoran’ny Faritra Amoron’i Mania, Radaloson Mamiarisoa Aline. Sady mahamenatra no fanetriben’ny firenena ny asan-dahalo, hoy Razanamahasoa Christine, ka tsy maintsy apetraka ny paikady rehetra hamongorana izany. Anisany nametrahana toby miaramila BOA (Base Opérationnelle Avancée) ao Ambohitsaony Ambatofinandrahana, izay nitondra filaminana ho an'ny Distrika, na dia tsy mbola 100% aza hatreto ka mbola tohizana ny ady.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 octobre 2021 19:38
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Pr Zafy Albert : Tsiaro ny fahaefa-taonan’ny nahafatesan’ny Rain’ny demokrasia sy ny fampihavanam-pirenena

    Efa-taona androany 13 oktobra 2021 no nahafatesan’ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert. Nomarihana tamin’ny fametrahana fehezam-bonikazo tetsy amin’ny tsangambato an’ny Filoha Zafy Albert Ambohijatovo izany. Tonga nanatrika ny lanonam-pahatsiarovana sy nametraka ny vonikazo teny an-toerana ramatoa Thérèse Zafy, vady navelany sy ny fianakaviany, notronon’ny Ben’ny tanàna an’Antananarivo Naina Andriantsitohaina mivady, ny filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, sy ny solontenan’ny Loholona, ny Filohan’ny HCDDED ( Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit) , ireo mpiara-dia aminy.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 octobre 2021 11:59
    • Tigre
    • Sary nindramina

    Faritra Betsiboka : Mandohalika, tsy afaka mamoaka vola ireo mpitantana

    Nesorina ny Lehiben'ny Faritra, nefa tsy nisy Governora nasolo azy efa roa taona mahery izao. Notendrena vonjimaika ny misolo toerana ny lehiben'ny Faritra, nefa tsy mahazo alalana hamoaka volam-panjakana ankoatran'ny karaman'ny mpiasa, ny karaman'ny sefo fokontany sy izay kojakoja mifanentana amin'izay, ary ny fanefana ny Jirama. Tapitra notetezina avokoa ireo mpivarotra sy mpandraharaha afaka nitrosana entana sy kojakoja ampandehanan-draharaha eo an-toerana, fa efa tsy misy manaiky hakana entana trosaina avokoa.
    Lire la suite ...
    • mardi, 12 octobre 2021 09:34
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Ministeran’ny Fitsarana : Notolorana mari-pankasitranana ireo Minisitra teo aloha

    Voalohany teo amin’ny tantaran’ny Ministeran’ny Fitsarana, no misy fanehoana ny fankasitrahana ireo zoky ray aman-dreny teo aloha. Taorian’ny fananganan-tsaina ny Alatsinainy 11 Oktobra 2021 teto Faravohitra, dia nisy ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana ho azy ireo, na ireo izay nisolo tena azy ireo toy ny zanany, avy amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, IMBIKI Herilaza. Mitontaly 26 mianadahy ireo Minisitry ny Fitsarana na Sekreteram-panjakana miadidy ny Fitsarana teo aloha, hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’ny solontenan’ireto Minisitry ny Fitsarana teo aloha ireto, ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) Rakotoarisoa Florent, dia nohamafisiny ny fahavononan’izy ireo hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny asam-pitsarana, hanolo-kevitra sy hanampy amin’ny ankapobeny.
    Lire la suite ...
    • lundi, 11 octobre 2021 09:42
    • Tigre
    • Sary fampihaingoana

    Faritra Betsiboka : Tezitra ireo mpomba an-dRajoelina

    Manomboka mampiaka-peo ireo mpikambana sy ireo komity nanohana ny Kandida Andry Rajoelina, izay lany filoham-pirenena ankehitriny. Efa roa taona tokoa manko izao no tsy mety voatendry ny Governoram-paritra aty Betsiboka. Raha ny angom-baovao voaray, dia tafitohina tamin'ny fanazavana azon'izy ireo, fa "tsy nisy nahafapo ny Filoha ny anarana rehetra nifandimby natolotr'izy ireo" hipetraka amin'izany toeran'ny Governora izany. Ny faritra hafa anefa dia efa misitraka ny fampitaovana sy ny famatsiam-bola ho an'ny faritra avokoa, eny na i Vatovavy izay vao noforonina ho Faritra faha 23 aza, ary narahina lanonana goavana niaraka tamin'ny Filoham-pirenena mihitsy.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 164