Governemanta Amerikanina : Te hamantatra ny nitantanana ireo fitaovana izay nanampiany ny CENI teo aloha
Nitsidika sy nitafa tamin’ny Filohan’ny CENI, DAMA Andrianarisedo, teny amin’ny biraony eny Alarobia ny Masoivohon’i Etazonia, miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Claire A. Pierangelo androany 9 Martsa 2023.
Nisongadina nandritra ny fihaonana ny fanomezana vaovao mahakasika ny zotram-pifidianana sy ny lisitry ny mpifidy, ary koa ny fanomanana ny fifidianana ho avy.
Nanambara ity Masoivoho ity fa vonona hanome tantsoroka ny CENI amin’ny fanabeazana ny olompirenena ara-pifidianana sy ny zotram-pifidianana.
Voaresaka ihany koa ny mahakasika ny fitantanana ny fitaovana, izay nanampian’ny Governemanta Amerikanina ny CENI teo aloha.
(Jereo Sary Tohiny)
RN4 : Fiara be nampitohana fifamoivoizana
Teo Alakamisy Ambohidratrimo, amin’ny lalam-pirenena faha-4 ity tranga ity androany alakamisy 09 martsa 2023.
RN10 : Namono olona ny haratsian-dalana
Nanafika olona, nandratra, namono olona ianao tsy niresaka Zon'olombelona
Ahoana moa no itakiana ny Zon'olombelona amin'ny olona tsy nieritreritra na ny kely aza ny Zon'olon-kafa, nandrava, nandratra, nanolana, eny namono ilay olona, nanapa-doha, dia mbola ilay olona ihany koa, na ny fianakaviany no andoa hetra hividianana gagazo hoaninao any am-ponja manaram-penitra, manaja ny Zon'olombelona, nefa ilay noratrana sy novonoina, mandry anaty trano vondro, bozaka tsy misy fanajana Zon'olombelona.
Mila dinihina ity resaka famonjana velomim-potsiny ity, sy ireo sazy mifandraika amin'ny heloka vita, fa toa tsy mahataitra ireo mpamerin-keloka intsony an.
Tsara andro aby.
Patrick