Ivohibe : Nodimandry tao anaty lozam-pifamoivoizana ny Lehiben'ny Distrika
Nentin'ny rano ny fiara 4x4 nitondra ny Lehiben'ny Distrikan'i Ivohibe Faritra Ihorombe, Rakotomamonjy Norosoanambinina Andrée, raha nitsaka ny renirano Menarahaky androany alarobia 08 martsa 2023.
Olona valo izy ireo no tao anaty fiara. Hita, saingy efa vatana mangatsiaka ramatoa Lehiben'ny Distrika. Efa nisy hafa hita, fa mbola mitohy ny fikarohana ny mpandeha sasany.
(Jereo Sary Tohiny)
Heverinareo fa bado ve zahay ry Mvola
Mampindrana vola ianareo, akanareo 10% isam-bolana eo ny zana-bola, izany hoe 120% isan-taona, raha toa ka 11% isan-taona ny taux directeur banque centrale.
Nefa izao ianareo manao offre Epargne, izany hoe ny volanay indray no ampindramina anareo, dia 4% isan-taona ny zanany omenareo anay. 116% anie zany ny anareo e.
Gasy mahay manisa.
Patrick
Lalaon’ny Nosy : Hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanomanana i Frantsa
Nitsidika ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, André Haja Resampa, ny talata 07 martsa 2023, ny Ambasadaoron’i Frantsa, miasa sy monina eto Madagasikara, Arnaud Guillois, niaraka tamin'ny mpiara-miasa aminy.
Tafiditra tamin'ny dinika nifanaovan’ny roa tonta ny fandraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy amin’ny volana aogositra izao, ary nanambara ny fahavononan'i Frantsa, hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanomanana ity lalaon'ny Nosy ity, ny ambasadaoro, ary indrindra eo amin’ny lafiny fanofanana ireo atleta Malagasy.
Anisany mpanohana ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Malagasy i Frantsa nandritra ny taona maro.
(Jereo Sary Tohiny)
Fandraisana anjaran’ny vehivavy : 13.89% ireo kandida filoham-pirenena vehivavy ny 2018, ary 46,30% tao anaty lisi-pifidianana 2022
8 martsa, andro iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny vehivavy. Mbola ambany ny tahan’ny fandraisana anjaran’ny vehivavy, raha ny tontolon’ny fifidianana eto Madagasikara.
Ohatra maneho izany ny taham-pisoratana anaran’ny vehivavy ao anaty lisitry ny mpifidy (RALE 2022) izay 46,30%. Toy izany koa ny tahan’ny vehivavy nirotsaka hofidiana (Fifidianana Filoham-pirenena 2018) izay 13.89%.
Ny zotram-pifidianana anefa dia tsy manavaka, mitovy ny Zon’ny lehilahy sy ny vehivavy eo anatrehan’ny lalàna manan-kery.
Fankalazana ny 8 martsa : Voasakana tsy hiditra ao amin’ny Magro Behoririka ny Vehivavy TIM
Firenena maro no mankalaza ny 8 martsa, natokan’ny Firenena Mikambana ho Andro iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy.
Raha ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, Antananarivo ny fankalazana nasionaly, dia niomana ny hankalaza ny 8 martsa ao amin’ny Kianjan’ny Finoana, Magro Behoririka Antananarivo ny Vehivavy avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara.
Mpitandro ny filaminana mirongo fitaovam-piadiana no efa manemitra io toerana tsy miankina, fananan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana io, hatry ny vao maraina. Na ny fiara aza navily lalana tsy handalo manoloana ny fidirana ao amin’ity Kianjan’ny Finoana ity.
Voasakana, tsy azon’ny Vehivavy TIM idirana ny toerana androany, raha toa ka afaka nametraka tsy nisy sakantsakana ny lapihazo sy ny fitaovana hanatanterahana ny fankalazana ny mpikarakara omaly.
(Jereo Sary Tohiny)
8 mars : Journée internationale des femmes
8 mars : Journée internationale des femmes