Filtrer les éléments par date : mardi, 07 mars 2023

Tonga nangataka tso-drano narahina joro tao Iharagna, Vohémar any SAVA, omaly alatsinainy 06 martsa 2023, i Siteny Randrianasoloniaiko.

Hiazo an’i Ikongo, ary hiara-hankalaza ny andron’ny 8 martsa any an-toerana ity solombavam-bahoaka voafidy tao Toliara I, filohan’ny Komity Olimpika Malagasy, sady filohan’ny judo aty Afrika ity.

Aorian’izay dia hisafidy Faritra iray any Toamasina ny tenany, hanokafany ny « Mihava Tour », ary afaka 60 andro farafahatarany no hilazany, na ho kandida, na tsia amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany, araka ny nambarany nandritra ny fihaonany tamin’ireo pro-Siteny teny Talatamaty, ny farany herinandro teo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, androany Talata 7 martsa 2023. Teboka telo no noresahany nandritra izany.

Voalohany dia anatin’ny fanomanana ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona ity ny Antenimierampirenena, tsy misy eritreritra ny mety hiverenan'ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta hatreto.

Nambarany fa tsy mitombina ny filazana fa tokony esorina tsy ho filoha ny Filoha amperin’asa, noho ny fizakany zom-pirenena roa, satria malagasy ray sy reny izy.

Publié dans Politique

Tsy mianatra ny mpianatra hatramin'ny zoma, ary ahemotra amin'ny fotoana manaraka ny fankalazana ny andron'ny 8 Marsa, ato amin’ny Faritra Atsimo andrefana, araka ny fanambarana io maraina io, tao amin’ny lapan'ny Faritra Atsimo Andrefana, nataon’ny Minisitry Jono sy Toekarena manga, Mahatante Paubert, niaraka tamin'ny tompon'andraikim-panjakana ao Toliara, manoloana ny voina sy ranobe nateraky ny rivodoza Freddy.

 

Publié dans Tselatra

Tapaka teo anivon'ny Centre Opérationnel, tarihin’ny Prefen’i Morondava, Rafidison Fidèle, fa foana ny hetsika rehetra momba ny 8 martsa amin'ireo Distrika rehetra mandrafitra ny Faritra Menabe.

Noraisina ny fepetra manoloana ny fiatrehana ny takaitra navelan’ny andro ratsy, izay niteraka fiakaran’ny rano, ka nahadibo-drano ireo tanàna maro ato amin’ny Faritra Menabe.

 

Publié dans Tselatra

Tsy misy ahiana ny vary, siramamy ary ny menaka, manerana ny Nosy. Efa midina tsikelikely rahateo ny vidim-bary, vokatra avy eto an-toerana, ho an'ny mpanjifa, izay mety mampidina ny kitapom-bolan'ny tantsaha mpamokatra.

Ny faritra rehetra no rakotra vary, nasiana ezaka manokana ireo tratry ny loza voajanahary. Misy ny fandrindrana ny fitaterana sy fanapariahana ny PPN.

Raha ny teto Antananarivo sy ny manodidina dia tsenakely 143, tamin’ny Fokontany 39, no nanapariahana vary tsinjo 35t, raha 1,8t ny siramamy naterina tamin’ny tsenakely 36, tanatin'ny Fokontany 18.

Publié dans Sociale

Pilo kely : Ny fahatokisana tsy manala ny fanaraha-maso

Mazotoa homana.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Voasambotry ny Zandary omaly harivan'alatsinainy 06 martsa 2023 ny telolahy, tompon'antoka tamin'ny fanafihana fiara mpitatitra olona iray, avy any Antsohihy, hihazo an'i Mahajanga, teo Matsaborifaly, Fokontany Antanandava, Kaominina ambonivohitr'Anjiajia, Distrikan'Ambato Boeny, teo amin'ny PK 434-435, ny marainan'ny alatsinainy 6 Marsa 2023 teo.

Notorahan’izy ireo vato ilay fiara, ka nahavaky ny fitaratra rehetra, izay tena nikendrena ny mpamily sy ny mpandeha tao anatiny. Tsy vitan'izany, fa mbola nokapaina famaky ny lohan'ilay mpamily, ary noratraina ity farany. Lasa ihany koa ny vola « versement », findain'ny mpamily sy ny mpandeha ary firavaka.

Publié dans Tselatra

Ho fanamarihana ny fankalazana ny 08 marsa 2023, dia mikarakara hetsika ny eo anivon'ny ministeran'ny mponina, ka ho tapaka amin'ny ampahany ny lalana manomboka eny amin'ny Gymnase couvert Ankorondrano, ka hatreny amin'ny Stade Alarobia, ny talata 07 mars 2023 manomboka amin'ny 07ora maraina ka hatramin'ny 09ora maraina.

 

Publié dans Tselatra

Manalavitra miadana ny morontsiraka ilay rivo-doza Freddy. Hihena miandalana ny rotsakorana any amin’ny faritra Atsimo andrefana.

- TOERANA MISY NY FOIBENY : 160 Km andrefana somary atsimo andrefan’i Toliara.
- HERINY : Rivodoza (FORTE TEMPETE TROPICALE)
- RIVOTRA ENTINY: 100 Km/ora
- TAFIOTRA MIARAKA AMINY: 140 Km/ora
- FIKISAHANY: Mianavaratra andrefana.
- HAFAINGANAM-PANDEHANY: 07 Km/ora
- NY FIZOTRANY: Manalavitra miadana ny morontsiraka.

- FANAMARIHANA : Hihena miandalana ny rotsakorana any amin’ny faritra Atsimo andrefana.

(Loharano Météo Madagasikara)
(Sary Sat24 - tameteo à 6h30)

 

Publié dans Tselatra