Distrikan'i Lalangina : Ralaivao Paul no Solombavambahoaka vaovao
Araka ny Didim-pitsarana laharana 001-HCC/AR tamin'ny 06 martsa 2023 dia notendren'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ho mpisolo toerana an'Atoa Rivotiana Jean Bosco, izay voatendry ho Minisitry ny asa, ny fampananan'asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, tamin'ny 20 febroary 2023 Atoa Ralaivao Paul, ho Solombavambahoaka avy amin'ny Distrikan'i Lalangina, voafidy tamin'ny antoko "Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina".
Fananan-tany : Karatany miisa 2 000 000 no hozaraina hatramin’ny faran’ny taona 2023
Hizara karatany miisa 2 000 000 ny fanjakana amin'ny alalan'ny ministeran'ny fanajariana ny tany sy ny fananantany, tarihan'ny minisitra RAMAHOLIMASY Pierre Holder, hatramin’ny faran’ity taona 2023 ity, hiaraha-miasa amin'ny tetik'asa CASEF, ary vatsin'ny Banky iraisam-pirenena vola.
Hanana antoka ny vahoaka fa ho voasoratra aminy ny tany, ho voaaro ny tanindrazany, ary afaka mamokatra tsy anatin’ny tahotra intsony ireo tantsaha.
(Jereo Sary Tohiny)
Rivo-doza Freddy : Mahazo aina izy, fa manalavitra miadana ny morontsiraky Madagasikara
- TOERANA MISY NY FOIBENY : 138 Km atsimo andrefan’i Toliara.
- HERINY : Rivodoza (FORTE TEMPETE TROPICALE)
- RIVOTRA ENTINY: 90 Km/ora
- TAFIOTRA MIARAKA AMINY: 125 Km/ora
- FIKISAHANY: Miakandrefana somary atsimo andrefana.
- HAFAINGANAM-PANDEHANY: 04 Km/ora
- NY FIZOTRANY: Manalavitra miadana ny morontsiraka.
- FANAMARIHANA : Hitohy ny rotsakorana antonony na betsaka amin’ny tapany atsimon’ny nosy.
(Loharano Météo Madagasikara)
(Sary Sat24 - tameteo)
(Jereo Sary Tohiny)
Morombe : Miakatra be ny renirano Mangoky
Dibon-drano tanteraka ny Kaominina ambanivohitra Antongo, Distrikan'i Morombe, nanomboka ny maraina alatsinainy 06 martsa 2023 teo, noho ny fiakaran'ny reniranon'i Mangoky, vokatry ny rotsak'orana betsaka entin'ny rivo-doza Freddy.
Maro ireo trano simba, efa tafakatra ambonin'ny 700ha ny tany fambolena tsako difotry ny rano, ka ahiana ho faty ny fambolena.
Maro ireo traboina.
Efa manao ny ezaka rehetra ireo Zandary sy mpitandro ny filaminana manampy ny any an-toerana, sy mampahafantatra ny zava-misy, ahafahan'ireo tompon'andraikitra maka izay fepetra mifanandrify azy aby.
(Jereo Sary Tohiny)
Tsy manary amin’ny ady sarotra ny tena namana
Toliara : Nazeran'ny rivodoza ny tambohon'ny fonja
Nirodana ny tambohon'ny fonjaben'i Toliara vokatry ny ora-nikija nentin'ny rivodoza Freddy.
Miantso tantsoroka ny Lehiben'ny fonja mba hanarenana haingana izany.
Ambasady malagasy ao Paris : Mitokona ny mpiasa
Mitokona nilanja sorabaventy, nanoloana ny biraon'ny masoivohon’i Madagasikara ao Paris Frantsa, ireo mpiasa, mitaky ny hanesorana ny Mpanolontsaina voalohan'ny ambasady.