Filtrer les éléments par date : dimanche, 05 mars 2023

Tanàna maro ato amin'ny Distrikan'i Morombe, Faritra Atsimo Andrefana no dobo-drano, noho ny orana, entin'ny rivodoza Freddy.

Namoizana ain'olona izany, vehivavy no maty noho ny hatsiaka vokatr'izany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Dobo-drano ny tobim-pamokarana herinaratra ao Andabatoara Morondava noho ny ora-mikija aty an-toerana nanomboka omaly, ka niteraka fahatapahan'ny famatsiana herinaratra sy rano izany.

Nanolo-tanana ny JIRAMA tamin'ny fandritana ny rano ny Fitaleavam-paritry ny Rano, ny Fidiovana sy Fanadiovana (DREAH) Menabe, ny orinasa mpiara-miombon'antoka GES, ary ny Kaomina ambanivohitr'i Morondava.

Publié dans Tselatra

Tamin'ny 12ora atoandro, ny alahady 05 martsa 2023, dia any amin’ny 208 km andrefana, somary avaratra andrefan’i Toliara no misy ny foiben’i Freddy amin’izao fotoana. 86km/ora ny rivotra entiny, miaraka amin’ny tafiotra 110km/ora. Hitondra orana betsaka any atsimo sy andrefan’ny nosy hatrany izy.

Miatsinanana, somary Atsimo Atsinanana, amin'ny hafainganam-pandeha 13km/ora.
Manantona miandalana ny morontsiraka atsimo andrefan’i Madagasikara.

(Loharano Météo Madagasikara)
(Sary Sat24, tameteo 13h)

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra