Filtrer les éléments par date : samedi, 04 mars 2023
samedi, 04 mars 2023 13:16

Rivo-doza : Niverina i Freddy

Nahafeno fepetra maha-rivodoza azy i FREDDY ka lasa TEMPETE TROPICALE MODEREE ny heriny.

Tamin’ny 09 ora maraina ny sabotsy 04 martsa 2023 dia tany amin’ny 507 Km andrefana, somary avaratra andrefan’i Toliara no nisy ny foiben’i FREDDY. Nitombo hery ka lasa riodoza indray izy. 65 Km/ora ny rivotra entiny, izay arahina tafiotra 90 Km/ora. Mikisaka miatsinana somary atsimo atsinanana izy ka mahafaka 09 Km/ora.

Ato anatin’ny 2 andro ho avy, dia tombanana hanatona ny morontsiraky ny faritra Atsimo Andrefana i FREDDY. Hitohy hahazo rotsakorana betsaka (50/120 mm) ny tapany andrefana sy
atsimon’ny Nosy iny hatramin’ny Alatsinainy.

Efa mikorontana kosa ny toetry ny andro any an-dranomasina amin’ny morontsiraka atsimo sy atsimo andrefana.

Mba ho fiomanana manoloana ny mety ho voka-dratsy ho aterany, dia toy izao ny filazana loza :

Publié dans Tselatra

Nitarika ny Vahoaka maherin’ny 2000 isa, tao amin’ny Kaominina Anjanazana ny Filoha Lefitry Antenimierandoholona Besoa Erick, ny alakamisy 02 martsa 2023 teo, nanao fanadiovana ny lakandrano (Gamanta), mirefy 5,8km.

Fandatsahan-drano ao anatin’ny lemak’i Ampagno sy Anjanazana no anton’ity asa tanamaro ity, mba ho afaka hamoka-bary tsara ireo tantsaha, ary hanampy ny tantsaha aty an-toerana ihany koa amin’ny fiompiana omby.

Nisaotra ny Loholona Besoa Erick ireo mponina mpahazo tombontsoa amin’ity asa lakandrano ity.

Publié dans Sociale

« Ny fitondrana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina dia tsy manana eritreritra hikitika ny lalàm-pifidianana mihitsy, mba tsy hilazana fa nanamboatra lalam-pifidianana amin’izay mampety azy ny mpitondra », hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, izay Filoha Nasionalin’ny Antoko FREEDOM ihany koa, nandritra ny ady hevitra nokarakarain’ny ONG Ivorary tetsy Faravohitra ny Talata 28 febroary 2023, nanodidina ny lohahevitra «

Publié dans Politique

Nitsidika ny Fitaleavan'ny fananan-tany sy ny fizakan-tany ary ny Faripiadidian'ny fananan-tanin'Antananarivo Renivohitra sy Atsimondrano ny Ministry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany Ramaholimasy Pierre Houlder, ary ireo mpiara-miasa aminy ny alakamisy 2 martsa 2023 maraina.

Nandritra izany fotoana izany no nilazany fa mila irosoana maika ny didy fampiharana ny lalàna mifehy ny boky rovitra, sy sarintany rovitra, satria miteraka fahavoazana eo amin'ny fiainan'ny olona maro izany. Ny bokin-tany mantsy no porofo manamarina ny maha tompon'ny tany.

Publié dans Vaovao