Dipoavatra mena : Nisokatra ny faran’ny volana Febroary teo ny taom-piotazana 2023
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy taty Ankadinondry-Sakay, Distrika Tsiroanomandidy ny 28 Febroary 2023, ny taom-piotazana dipoavatra mena.
Tamin'izany no nanentanana ireo tantsaha mpamokatra anaty kaoperativa, mba tsy hijanona ho tantsaha fotsiny, fa hisaina sy hiroso ho lasa "Mpandraharaha Ambanivohitra Matihanina" tokoa, ka tsy ho kivy manoloana ny sarotra mety mitranga rehetra.
(Jereo Sary Tohiny)
Fampirantiana ara-toekarena sy ara-barotra Chine-Afrika : Asaina handray anjara i Madagasikara
Hatao any Changsha, faritanin'i Hunan, Chine amin'ny faran'ny volana Jona 2023 ny fampirantiana ara-toekarena sy ara-barotra Chine-Afrika, andiany fahatelo. Isan’ireo firenena asaina manokana handray anjara i Madagasikara amin’ny maha ao anatin’ny firenena vahiny miisa valo asaina azy.
Ny Filoha Sinoa Xi Jinping dia nanambara fa ny fampirantiana ekonomika sy ara-barotra China-Africa dia hataon'ny Sinoa sy ny firenena Afrikana miaraka isaky ny roa taona. Ny fivoriana roa voalohany dia natao tamin'ny 2019 sy 2021, izay nahitana vokatra nahomby. Ny fivoriana fahatelo dia io hatao amin'ny faran'ny volana Jona 2023 any Changsha io.
Ny lanonam-panokafana ny Fampirantiana sy ny fikaonan-doha miaraka amin’izany, dia hatao amin’ny alalan’ny fihaonana an-tserasera ho an'ny solontena avy amin'ny firenena afrikanina 53, sy fikambanana iraisam-pirenena.
Amin'ity taona ity, amin'ny maha vahiny omem-boninahitra azy, dia hahazo tombony amin'ny toerana fampirantiana foibe maimaim-poana i Madagasikara, mba hampiroboroboana ny vokatra sy ny tombontsoa ara-toekarena.
Kabinetra Sivily Prezindansa : In'efatra niova Tale tao anatin’ny efa-taona
Notendrena ho Talen’ny Kabinetra Sivily eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, nandritra ny filankevitry ny minisitra natao teny Iavoloha omaly amarobia 1 marsa 2023, Rtoa Andrianarisoa Romy.
Izy no mandimby toerana an-dRtoa Raharinirina Baomiavotse Vahinala Talen’ny Kabinetra teo aloha.
Rtoa Andrianarisoa Romy no vehivavy fahaefatra nanankinana io andraikitra io tao anatin’ny efa-taona mahery nijoroan'izao fitondrana izao, nandimby an'i Stéphanie Delmotte, Ranoromaro Hasinirina Lova ary Raharinirina Baomiavotse Vahinala.
2 mars : Journée mondiale du livre
2 mars : Journée mondiale du livre.
Politika : Ampiady antsika io fifidianana Filoham-pirenena io
Lazaina hatrany fa ny demokrasia no fenitra ara-politika ampandrosoana ny firenena iray.
Fa tsy lazaina amintsika hoe demokrasian'ny tandrefana manam-bola, miaraka amin'ny kolotsaina sy fomba amam-panao ananany, izay rafitra tiany volena eto izay.
Ekena fa ny Vahoaka no andria-manjaka tompon'ny fahefana, ary mampindrana izany fahefany izany amin'ireo olom-pinidiny.
Fa izay marina ve no misy eto amintsika, sa Vahoaka zaraina tee-shirt, dia omena fotsim-bary 1 kapoaka, dia ampandihizina vody, dia lany izay kandida nahavita nivarotra Tanindrazana be indrindra, ka naka vola mihoatran'ny 180 000 000$ (769 miliara ar) tamin'ireo vahiny, izay lasa tompom-pahefana manao izay tiany rehefa lany ilay sari-bakoly nomeny vola hanaovana fampielezan-kevitra ?