CPI : Namoaka didy fampisamborana an'i Vladmir Poutine
Namoaka didy fampisamborana ny filoha rosianina Vladmir Poutine, ny Fitsarana Ady Heloka Bevava Iraisam-pirenena na ny Cour pénale internationale CPI, ny zoma 17 martsa 2023.
Ampangaina ho nanao heloka bevava amin'ny fanafihana sy famakiana ady an'i Ukraine izy, ary nanomboka ny 24 febroary 2022, dia nanondrana zaza tsy ara-dalàna avy any Ukraine nalefa an-tery any Rosia (Crimes de guerre et déportation illégale d'enfants d'Ukraine vers la Russie).
Raha ny lalàna iraisam-pirenena, indrindra ho an'ireo firenena nankatoa izany lalàna izany, dia terena hisambotra azy avy hatrany ireo firenena diaviny, ka hanolotra azy ny fitsarana any La Haye.
Sarotra be ve mahazo an'izany resaka izany ?
Tsy hitako ny antony amonoana tena, sy andaniana vola mampiana-janaka, raha mbola hifidy olona tsy nianatra, fa hizara tee-shirt, koveta sy baolina ary vary fotsiny no andeha ataony.
'Ndao fa lalana e.
Patrick