Rivo-doza Freddy : Faran'ny ela indrindra, no namono olona 400
Raha niforona ny fiandohan'ny volana febroary 2023 tany Australie ity rivo-doza Freddy ity, dia namakivaky 8000km avy any antsinanana niakandrefana taty Afrika.
Nandalo teto Madagasikara izy ny 21 febroary 2023, nahafaty olona 7, niakandrefana nihazo an'i Mozambika, namono olona 10, dia nanao dona miverina taty Madagasikara indray ny fiandohan'ny volana martsa, ka namono olona 10 hafa indray, ka niverina tany Mozambika indray, izay naka olona 63 hafa indray.
Malawi anefa no tena nizaka ny mafy indrindra, vokatry ny rotsakorana betsaka, fianjeran'ny ranotany, ka nahafatesana olona 326, ary olona nafindra toerana efa ho 183 000.
35 andro no naharetany, izay izy no lava andro indrindra hatreto, ary efa manomboka manjavona i Freddy.
Lalan'ny Tetezan'ny Bekiraro : Mitarozaka ny fanamboarana azy
Manao antso avo amin'ireo tompon'andraikitra misahana ny fanamboarana ity lalana ity ireo mponina eny amin'ny faritra Tetezan'ny Bekiraro noho ny fanoloana fantsona eny an-toerana, izay mitarazoka tsy araka ny tokony ho izy.
Efa ho rotokom-bolana izay ny fanoloana io fantsona io no efa natomboka, izay lasa miteraka fikorotanan'ny mpandeha, indrindra ireo mpivarotra manodidina.
Mitaraina araka izany izy ireo manoloana izany, ary miantso ireo tompon'andraikitra ambony mba hanarina sy hamaha ny olana haingana, satria efa maro ireo olona naratra, latsaka ao anaty lavaka vokatr'ity fanamboarana mitarazoka ity.
(Jereo Sary Tohiny)
« FORUM DE LA DIASPORA » : Hotontosaina ny 28 ka hatramin’ny 30 Jolay 2023 eny amin’ny CCI Antananarivo ny andiany faharoa
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hikarakarana ny fihaonamben’ireo Malagasy mila ravinahitra any ivelany, « FORUM DE LA DIASPORA » andiany faharoa, izay hotontosaina ny 28 ka hatramin’ny 30 Jolay 2023, eny amin’ny CCI Antananarivo.
Tohin’ny Fihaonambe andiany voalohany izy ity, izay nentina nandinika ny lohahevitra mikasika ny « diplomasia ara-toekarena », ka hamaliana indrindra ny fanontaniana hoe, ahoana no hahafahan’ny Malagasy miasa sy monina any ivelany mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena, ka hanamorana ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana azon’izy ireo atao eto Madagasikara.
PAC (Pôle anti-corruption) : Mpitsara roa, tapitra fepotoam-piasana
Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny alarobia 15 martsa 2023 teo ny didim-panjakana manamarina ny fahataperan’ny fepotoam-piasan’ny Lehiben’ny Fampanoavana, eo anivon’ny rafi-pitsarana ambony miady amin’ny Kolikoly, na “second degré” eo amin’ny PAC (Pôle anti-corruption), eto Antananarivo.
Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manamarina ny fahataperan’ny fepotoam-piasan’ny Lehiben’ny Mpitsara mpamoaka didy eo anivon’ny rafi-pitsarana ambony miady amin’ny kolikoly, na ny “second degré” eo amin’ny PAC eto Antananarivo.
Mbola samy afaka miverina milatsaka avokoa izy ireo, ho an'ny telo taona manaraka, raha mahafeno ny fepetra.
Nicolas Dupuis : Hijanona tsy ho mpanazatra ny Barea intsony
Hitsahatra tsy ho mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy ny baolina kitra na Barea i Nicolas Dupuis, amin’ny septambra 2023, na tafita na tsia, ho amin’ny dingana famaranana ny CAN 2023 ny Barea.
Nitondra ny ekipam-pirenena tany amin’ny dingan'ny ampahefa-dalana ny CAN 2019 tany Ejipta no isany nampisongadina an'i Nicolas Dupuis.
Nisy fotoana izy nodimbiasan'i Éric Rabesandratana, avy eo niverina nandray an-tanana ny Barea indray, dia izao milaza fa hijanona tanteraka amin'izay izao.
(Jereo Sary Tohiny)
Amerika : Nijoboka ny banky Silicon Valley Bank, Signature Bank ary Silvergate
Nifanenjehana ny haka vola tamin'ireo banky lehibe amerikanina ireo noho ny fahasahiranana amoaka vola ho an'ireo mpametra-bola ao aminy.
Banky anisan'ny manana ny toerany, mpamatsy vola ireo orinasa misera momba ny hairaha na ny haute technologie ao Silicon Valley ireto banky ireto.
Mampahatsiahy avy hatrany ny krizy iraisam-pirenena ara-bola tamin'ny 2008, na ny fikatonan'ireo banky tamin'ny crise des subprimes, nateraky ny trosa tsy voaloa teo amin'ny fividianana sy fanamboarana trano.
Ity mitranga ankehitriny ity indray dia ny fijoboky ny hairaha, ary ny fampiakarana ny zana-bola ho 4%, raha toa ka nisy mihitsy aza fotoana nisian'ny taux négatif, izany hoe ny mpametra-bola indray no mandoa zana-bola amin'ny banky, ary ny banky mampindram-bola amin'ny taux zero, na koa hoe samy afaka mindram-bola ny rehetra ka tsy akana zana-bola.
Ny ankizy mpianatra any ambanivohitra
Andoharanofotsy : Nohavaozina hanara-penitra ny EPP, hahazo kianja filalaovana baolina kitra
Raha efitrano fianarana miisa roa no nandraisana mpianatra 400 mahery hatrizay, tao amin'ny EPP Mahabo, Kaominina Andoharanofotsy, Distrika Antananarivo Atsimondrano, dia nohavaozina ho EPP Manara-penitra izany ankehitriny, ary notokanan' ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny alakamisy 16 martsa 2023.
Nisitraka fanomezana avy amin'ny ONG Samaritan’s Purse ihany koa ireo ankizy mpianatra ao amin'ny EPP Mahabo. Ireo ankizy telo voalohany isaky ny kilasy kosa, dia notolorana bisikileta isanisany avy.
Hatsangana ao Iavoloha Atsimondrano ihany koa ny kianja manara-penitra ho an’ny kitra. Napetraka ny andron'io koa ny vatofototra ho fanombohan'ny asa fanamboarana.
(Jereo Sary Tohiny)