Filtrer les éléments par date : jeudi, 16 mars 2023
jeudi, 16 mars 2023 19:03

Nitaiza zana-baratra

Tandindomin'ny fifdianana ny mpanao politika malagasy amin’izao fotoana izao. Miseho ny fifampiandaniana samihafa. Ny sehatry ny fanoherana dia efa zary mahazatra ny fomba fiteny sy fanehoan-kevitra, indrindra ny fihetsika ampiarahan'izy ireo amin’izany. Eo ny TIM, RMDM, PANORAMA, LERA, HIFIM sy ny hafa.

Ny anaty fitondrana no mahavalalanina ny mpanara-baovao, hatramin’ny sarambabem-bahoaka heverina hifidy. Miseho ampahibemaso ireo mpanao politika niara-dalana sy nanohana, ary nampakatra an’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana, manohitra sy manankiana azy amin’ny izao volana vitsivitsy mialoha ny daty natolotry ny CENI hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena izao.

Publié dans Editorial

Tsy nisy kandida mpifaninana i Gianni Infantino. Voafidy indray ho filohan’ny Federasion iraisam-pirenena ny baolina kitra na FIFA, tamin’ny fifidianana natao nandritra ny kongresy faha-73, nataon’ity rafitra ambony mifehy ny baolina kitra manerantany ity, tany Kigali renivohitr’i Rwanda izy, ary hitantana mandritra ny efa-taona ho avy.

 

Publié dans Sport

Nofaranana androany 16 Martsa 2023 ny hetsika "Ankizivavy Mianatra, Vehivavy Miavotra" izay notanterahana nandritra ny 100 andro teto Madagasikara”.

Nanamarika izany hetsika izany ny fisian'ireo hetsika maro nanampiana sy nitadiavana vahaolana mba hahaleotena ny Vehivavy amin'ny fihariana ara-toekarena.

Nanambara ny Solontena Maharitry ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara, Ramatoa Marie Chantal Uwanyiligira, nandritra ny famaranana tao amin’ny Carlton, fa misy fandaharan'asa iarahan'ny fanjakana malagasy amin'izy ireo, ho an'ny fahaleovan-tenan'ny ankizivavy sy ny Vehivavy, ka entina eny anivon'ny Filan-kevimpitantanan'ny Banky Iraisam-pirenena.

Izany dia hiompana indrindra amin’ny fitazomana ny zazavavy eny an-tsekoly, ny fampiroboroboana ny fandraharahan’ny vehivavy, ary ny ady amin’ny herisetra amin’ny vehivavy.

Publié dans Economie

Nisy ny asa tagnamaro natao tao amin’ny Kaominina Ambinanintelo Distrikan’i Maroantsetra, natao ny Alakamisy 16 Mars 2023, izay naompana tamin’ny fanamboaran-dalana miainga avy eo Ambinagny-Andranasana hatrao Ambinanitelo.

Izao no tanteraka dia noho ny fifanomezan-tanana teo amin’ny Fokonolona, ireo Zanaka ampielezan’Ambinanintelo, ireo Mpandraharaha, ireo mpitondra ao an-toerana, ary ny tosika sy tolo-tanana nataon’ny Filoha Lefitry ny Antenimierandoholona, Besoa Erick.

Talohan’izao dia nisy ihany koa ny asa tagnamaro nanadiovana Kanaly eo amin’ny 10km tao amin’ny Fokontany Ankiakandrefana, Kaominina ambonivohitra Maroantsetra natao ny Talata 14 martsa 2023.

Publié dans Sociale

Tontosa ny 10 martsa sy 11 martsa 2023 teo ny fandoavana ny karama roa volana, ho an’ireo mpiasa eo anivon’ny FCE any Fianarantsoa (Vohimasina, Ampitambe, Ranomena), ireo toerana antenatenany (Andranovato, Madiorano, Tolongoina, Amboanjobe, Manapatrana) ary Manakara (Manakara, Soasinaka, Miziko).

Maro ny fehin-kevitra nivoitra tamin’ny dinika nifanaovana tamin’ireo mpiasa sy tompon’andraikitra eo anivon’ny FCE ny 23 febroary sy 02 martsa lasa teo, ka isan’izany io fandoavana karama roa volana io, izay tafiditra amin’ny famahana ny olana misy eo anivon’ity orinasa FCE zotran-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa – Manakara ity.

Nampanantena ny hanao izay hamerenana haingana amin’ny laoniny ny fitaterana an-dalamby amin’io zotra io ny fitondram-panjakana. Ela niandrasana izany ny Vahoaka amin’iny Faritra Matsiatra Ambony sy Fitovinany iny.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Telo taona izao no naha Governoran’ny Faritra Atsinanana an’Andriamatoa Rafidison Richard Théodore. Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 4 martsa 2020 ny didim-panjakana fanendrena azy.

Izy no Governora faha-14 voatendry hatramin’ny septambra 2019 no mankaty.

Hanao tatitry ny zava-bitany nandritra izay telo taona nitantanany ny Faritra Atsinanana izay izy ny zoma 17 martsa, lanonana hatao ao amin’ny Amphithéâtre PACT SPAT.

Mandritra io fotoana io koa no hanoritsoritany ny asa fampandrosoaana ho an’ny taona 2023.

Publié dans Politique

Izany indray zao no vohizina, fa izay tsy manam-bola, tsy manana haino aman-jery, tsy manana hélicoptère, dia aza milatsaka ho fidiana Filoham-pirenena fa mandany andron'ny mpifidy.

Mba tiako ho hita ny filazam-pananan'ireo milaza manana sy mampiasa hélicoptère. Ary indrindra ny hetra naloany mifanandrify amin'izay fananany izay.

Raha tsy izany dia famatsiam-bola avy any ivelany, izay voararan'ny lalàna, tsy inona fa famarotana tanindrazana alohan'ny fotoana.

Mazotoa homana Papy, fa iny indray tsy hiraisantsika hevitra.

Averiko foana, atsika jiaby nianatra io moa zany bado, ka manaiky entin'ny olona bado sy tsy nianatra?

Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Navotsotr'ireo olon-dratsy ireo olona telo nalain'izy ireo an-keriny, tao amin'ny Fokontany Ambohimanarivo, Kaominina Morarano Chrome, Distrika Andilamena, rehefa voatana efa ho 20 andro izay.

Tany Bevakona, Kaominina Amboasary Avaratra, Distrika Ankazobe, Faritra Analamanga no avotra izy ireo, tsy maty fo aman'aina.

Misy loharanom-baovao milaza fa nandoa vola 70 tapitrisa Ariary tamin'ny jiolahy ny fianakaviana ho tambin'ny famotsorana azy telo mianadahy ireo.

Publié dans Tselatra
jeudi, 16 mars 2023 08:54

No comment

No comment

 

Publié dans Fil info