Doro trano - Oniversiten’i Mahajanga : Mpianatra zanaky ny Faritra Sofia miisa 6 nidoboka am-ponja
Mpianatra enin-dahy amin’ireo 17, voarohirohy tamin’ny adin'ny mpianatra samy mpianatra, Bealanana sy Analalava, avy nanao baolina no niitatra ka nitarika ny fahamaizan'ny Bloc 22 teny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra eny Ambondrona, Oniversiten’i Mahajanga ny tapaky ny volana febroary lasa teo, no tazomina am-ponja vonjimaika, taorian’ny fanadihadiana, ka natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Mahajanga ny alatsinainy 13 martsa teo.
Lapan’i Tsimbazaza : Miaka-dapa ny vehivavy tantsaha
Nihaona tamin’ny APDIP na « Association des paysans pour le développement Inter Professionnel » avy any Tsiroanomandidy ny talata 14 martsa 2023 teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Solombavambahoaka, sady filohan’ny vaomiera maharitry ny miralenta sy ny fampandrosoana, Ramatoa Masy Goulamaly sy ireo teknisiana mpiara-miasa eo amin'ny Antenimierampirenena.
Fifampizarana traikefa sy fifanakalozana teo amin’ireo tantsaha no tanjon’ny fihaonana, ka ny mahakasika manokana ny anjara toeran’ny vehivavy eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena, izay entina hampandroso ny fahaiza-manaon’ny vehivavy amin’ny sehatry ny toekarena no votoatin'ny resaka.
(Jereo Sary Tohiny)