Filtrer les éléments par date : mardi, 14 mars 2023
mardi, 14 mars 2023 19:56

Na zaza ty aza tseriky

Taiza foana ity kilalao nalefan'ny Fiangonana amerikanina, kilalao nangonin'ireo zaza amerikanina, omena zaza malagasy, andron'ny Noely, tsy hita zay nanjavonany, nifampitadiavana teny amin'ny fadin-tseranana, nisamaritaka ireo zaza amerikanina nanontany lava raha efa tonga ny sambo nitondra ireo kilalao, nanontany raha hita sy nozaraina ireo kilalao anaty boite, izay indraindray boite misy vola dolara kely, misy taratasy sy sary kely vokatry ny fon'ireo zaza amerikanina.

Iny fa hita eee, nozarain'ny dadatoa noely.

Tafandria mandry e.

Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Tsy misy “consigne de vote” ho an’ny mpikambana AVI amin’ny fifidianana filoham-pirenena, izay mety hatao amin’ity taona 2023 ity. Manana safidy malalaka ny mpikambana amin’izay halehany, hoy ny filoham-boninahitry ny antoko, Norbert Lala Ratsirahonana.

Publié dans A la Une

Nisy razana 11 hita androany Talata 14 martsa tany manodidina ny Nosy Faly. Heverina fa mbola anisan’ireo olona tao anatin’ilay sambo dobo an-dranomasina tany Ankazomborona ireo.

Vehivavy ny 5, lehilahy ny 4 ary zaza ny 2 amin’ireo faty hita ireo.

Tafakatra 32 izany izao ireo faty hita.

Fantatra fa nisy vehivavy 2, isan’ireo avotra tao anatin’io sambo rendrika nitondra olona an-tsokosoko ho any Mayotte, no voasambotra tany Antsohihy.

Hanampy amin’ny famantarana ny marina manodidina ity raharaha ity ny fanadihadiana azy ireo.

Misy ihany koa ireo mbola karohina tafiditra amin'ity raharaha ity.

 

 

Publié dans Tselatra

Nitsidika teny amin'ny Fokontany Ambodivonkely Ambohimanarina, ary nijery ifotony ny fizotry ny asan’ny Fokontany, amin’ny fisoratana anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy ny tompon'andraikitra eo anivon’ny CENI foibe, notarihin’ny Filohany DAMA Arsène androany Talata 14 martsa 2023.

Nisy ihany koa hetsika fanentanana ny olom-pirenena, niarahan’ny CENI tamin’ireo 6 mirahalahy, mpilalao baolina kitra eo anivon’ny ekipam-pirenena Barea CHAN. Ny iray amin’izy ireo, Dax, dia nisoratra anarana tao amin’ny lisitry ny mpifidy tety amin’ity Fokontany ity androany.

Naneho fankasitrahana azy 6 mirahalahy ny Filohan’ny CENI noho fanoloran-tenan’izy ireo handray anjara amin’ny fanentanana ny olom-pirenena : hisoratra anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy, ary handray anjara handatsa-bato rehefa tonga ny fifidianana.

Publié dans Politique

Raim-pianakavina iray, izay mpanarato, sahabo ho 50 taona eo, no hita faty teny amin'ny torapasika Village touristique Mahajanga ny marainan'ity talata 14 martsa 2023 ity.

Raha ny fizahana nataon'ny mpitsabo tonga teny an-toerana, dia heverina ho nisy aretina nahazo azy tampoka, ka nitambotsitra ilay rangahy, fa tsy dobo an-drano.

Efa teny koa ireo mpitandro ny filaminana nanao ny asany.

Ny ekipa TVHFB Mahajanga no nantsoina nanatitra ny razana teny amin'ny Tranompaty miandry ny havany.

 

 

 

Publié dans Tselatra

Nisy faty roa hita tao Antafiambotry Nosy Faly androany Talata 14 martsa antoandro. Heverina fa mbola anisan'ireo mpandeha tao amin'ilay sambo nitondra olona saika hiondrana an-tsokosoko ho atsy Mayotte, saingy rendrika tany amin’ny fari-dranomasina Ankazomborona ireo faty ireo.

Efa simba ireo faty, ka halevina anio tolakandro ihany, raha tsy misy havany maka, araka ny antso nataon'ny Ben’ny Tanàna ao an-toerana.

 

 

Publié dans Tselatra

Noraisina sy naseho ireo olom-boafidy sy olom-boatendry eto Sambava, sy ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny hopitalibe CHRR Besopaka, Sambava ny Alatsinainy 13 martsa 2023, ireo andiana mpitsabo Sinoa hiasa aty an-toerana.

Andiany faha 23 ireto tonga eto Sambava ireto, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny governemanta Malagasy sy Sinoa.

Miisa fito mianadahy no mandrafitra azy, ka dokotera ny fito, miampy mpahandro iray (Dr Chirurgien 1, Dr ORL 1, Dr Pharmacienne 1, Dr spécialiste en acupuncture 1, Dr Généraliste 1, Dr Gynécologue 1, Dr Anesthésiste et réanimateur 1 ary Cuisinier 1).

Haharitra 2 taona ny fe-potoana hiasan'izy ireto eto Sambava.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Natomboka ny Zoma 10 Martsa 2023 ny fanamboarana ny lalana mampitohy an'Ankadimbahoaka sy By Pass.

Mandalo any Androndra, ka mivoaka eo amin'ny station Jovena Androndrakely, ny fivilian-dalana hampiasain'ireo mpampiasa lalana mandritra ny asa fanamboarana.

Toy izao ny ora azo ifamezivezen'ny mpampiasa lalana :

06 0ra maraina - 10 ora maraina : misokatra ny lalana
10 ora maraina - 06 ora hariva : tapaka ny lalana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Enina andro aty aorian’ny nitrangan’ny loza dia mbola karohina ny iray tamin’ireo olona tao anaty fiara tsy mataho-dalana na 4x4, fiaran'ny Lehiben'ny Distrika nitondra azy, izay lasan'ny ranotrambo teo amin'ny “radier” Mangaraky, Kaominina Analavoka, Distrika Ihosy, Faritra Ihorombe, tamin'ny atoandron'ny 08 martsa 2023.

Ny zandary G2C Randrianantenaina Sedrick io mbola tsy hita hatramin’izao io. Efa miezaka mitady ny Fokonolona sy ireo Mpitandro filaminana mitomandavana io renirano io, saingy tsy mbola nahazoam-baovao hatreto, ka anaovan’ny Zandarimaria fanentanana ombay mitady hahitana azy.

Namoy ny ainy tamin’io loza io ny Lehiben'ny Distrika Ivohibe Rakotomamonjy Norosoa Nambinina Andrée.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nigadona ny marainan'ny alatsinainy 13 martsa 2023, tany Ambilobe, ireo iraky ny Fitondram-panjakana foibe, izay tarihin'ny praiminisitra Ntsay Christian, sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta vitsivitsy, hifanome tanana sy hanadihady akaiky ny zava-misy mikasika ny loza an-dranomasina, namoizana ain’olona maro tany Ankazomborona.

Raha ny tatitra navoakan’ny ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro omaly maraina dia avotra ny 24 tamin’ireo mpandeha tamin’ilay sambo rendrika, 21 namoy ny ainy, ary 2 mbola karohina.

Nofo mangatsika 19 isa no nampakarin'ireo Tafika Andranomasina ao amin'ny Détachement Naval Nosy-Be, ny 12 martsa 2023, raha nananteraka ny iraka fanavotana ny sambokely tra-doza, tokony ho 6 km miala ny Nosy Faly, mankany amin'ny ranomasina.

Nanetsika ny sambo haingam-pandeha AKIO ny Tafika namonjy ity sambo kely nitondra olona voalaza fa nikasa hiondrana an-tsokosoko atsy amin’ny nosy Mayotte ity.

Publié dans Vaovao