Filtrer les éléments par date : lundi, 13 mars 2023

Mbola tsy levona ilay rivo-doza, raha niforona tany Australie ka nahazo ny anarana Freddy 35 andro lasa izay.

Namakivaky ny ranomasimbe atsinanana, ka nihazo an'i Madagasikara. Tsy naharitra indray andro, dia nihazo an'i Mozambika.

Niverin-dalana, tsy toa ireo rivo-doza fahita indray izy, ka nandravarava ny tapany atsimo andrefan'i Madagasikara, ka dia niverina nihazo an'i Mozambika indray ankehitriny.

Anisan'ny rivo-doza naharitra be indrindra tamin'ny tantara ity Freddy ity, raha hatreto dia ny typhon John no lava indrindra, nandritra ny 31 andro, tamin'ny taona 1994.

Eo ampandinihana ity rivo-doza ity ny eo anivon'ny Firenena mikambana, amin'ny alalan'ny sampan-drahara manerantany mahakasika ny toe-trandro (Organisation météorologique mondiale (OMM)), raha i Freddy no hitana ny fahalavana indrindra amin'ny rivo-doza, izay nisy tato anatin'ny taon-jato vaovao izao.

(Jereo sary Tohiny)

 

 

Publié dans Tselatra