Mahazo sprinter iray boninokany d'efa faly be
Anontanio ry zareo Ambatolampy, raha anao fety raha mbola sprinter iray no alahatra anao taxi-brousse.
Madagascar Airlines anefa midehaka ery vao ampiditra rôplanina Embraer iray.
Ethiopian Airlines, ilay firenena kere be iny, manana floty 150 fiaramanidina eo.
Ka ny antsika aza moa DG Cnaps efa nanaovana fikarohana, iny mipoitra iny tsy misy bedy iny indray, mandray ny fitantanana ny kompaniam-piaramanidina, ny mpitantana ny filan-kevitra moa efa tsy hay intsony ireo zavatra tsy mazava nahatafiditra azy, ny fintantanana ny habakabaka, toa omena ilay raikalahy nitsoaka resaka volamena 73kg iny koa.
Izay marina angaha ilay antsoina hoe iray ampiana iray, mira iray.
Soavadia e.
Patrick
Nihondrana an-tsokosoko ho any Mayotte : Rendrika ny lakana nitondra azy ireo, 20 mahery no maty
Rendrika tany amin’ny fari-dranomasina Ankazomborona, Kaominina Beramanja, Distrika Ambilobe ny lakana nitondra mpandeha niisa 47, saika hihondrana an-tsokosoko ho atsy amin’ny nosy Mayotte, departemanta frantsay.
Mpanjono no nahita azy ireo nitady vonjy, androany alahady 12 martsa vao mangiran-dratsy, tao Nosy Faly Ambilobe.
Natao ny fanavotana. 23 no tafakatra velona an-tanety. 20 mahery no maty, izay nentina ao Ankify.
Mitohy ny fikarohana.
Rajoelina sy Ntsay : Nifandimby nizara fanampiana ho an’ny traboina tao Toliara
Nifandimby tonga tao anatin’ny herinandro, ary samy nijanona roa andro tao Toliara, na ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady.
Nametraka vatofototra fanarenana ny tambohon'ny fonja, nihotsaka nandritra ny fandalovan'ny rivodoza Freddy, tao Toliara, ny Praiminisitra, ary nizara fanampiana ho an’ny traboina.
Tonga tao Toliara hatry ny omaly, nizara fanampiana ho an’ny traboina ihany koa ,ny Filoham-pirenena mivady. Nitohy androany tao amin'ny Kianja Andaboly ny fizarana sakafo sy fitaovana enti-miasa, ary koa jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro.
Namela takaitra tao amin'ny Distrikan'i Morombe ny rivodoza Freddy. Nisy namoy ny ainy, maro ny traboina, ankoatra ny fotodrafitr'asa simba. Manantena ny any an-toerana fa mba hisitraka fanampiana toy izao.
(Jereo Sary Tohiny)
Ambohitoaka - Mampikony : Dahalo iray mpanao fanafihana amin’ny lalam-pirenena faha-6 maty voatifitra
Lavo nandritry ny fifanjevoana tamin'ny zandary ny iray tamin'ireo dahalo manakana ny lalana, amin’ny alalan’ny fametrahana vato eo amin'ny radier, PK 101+150 ny RN6, ao amin’ny Fokontany Tanetilava, Kaominina Ambohitoaka, Distrika Mampikony, raha toa ka tafatsoaka kosa ireo namany.
Azo ihany koa ny basy vita tanana iray. Tsy nisy naratra ireo Zandary.
Ny alin'ny 11 Martsa 2023 tamin'ny 11 ora sy sasany alina dia nahazo antso avy amin’olona tsara sitra-po ny ny Zandary, ao amin’ny poste fixe Ambohitoaka, amin’ny fisian’ny mpanakan-dalana ao amin'io toerana io.
Mihava Tour : Nosantaran'i Siteny tao Fenoarivo Atsinanana
Fenoarivo Atsinanana no nosafidian'i Siteny Randrianasoloniaiko ny sabotsy 11 martsa 2023, nisantarany ny "Mihava Tour", nihainoany ny Vahoaka, mialoha ny hanambarany raha ho kandida amin'ny fifidianana Filoham-pirenena ny tenany na tsia.
Niara-dia taminy ny solombavambahoaka voafidy tao Betioky Atsimo, sady filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Rabenirina Jean Jacques, ny solombavambahoaka isany Jaosera Irénée voafidy tao Analalava, Mohamad Ahmad voafidy tao Fenoarivo Atsinanana, ary i Edizard voafidy tao Vohémar.
(Jereo Sary Tohiny)