Madagascar Airlines : Hahazo fiaramanidina Embraer 190-E2 alohan'ny jona
Nihaona tamin’ireo tompon'andraikitra ao amin’ny orinasa Madagascar Airlines ny minisitry ny fitaterana sy famantarana ny toetr’andro vaovao Ramonjavelo Valéry, ny zoma 10 martsa.
Nandritra izany no nilazana fa hahazo fiaramanidina Embraer 190-E2 ny Madagascar Airlines alohan'ny volana jona 2023, hanampy ny fiaramanidina ampiasainy.
Tsiahivina fa nanendry an'i Thierry de Bailleul ho Tale Jeneralin’ny Madagascar Airlines ny fanjakana.
(Jereo Sary Tohiny)
Tenisy ambony latabatra: Atsy Djibouti ny andiany faha-3 amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika
Tanterahina atsy Djibouti ny andiany faha-3 amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika amin’ny taranja Tenisy ambony latabatra.
Manana solontena amin'izany i Madagasikara.
Filaharan'ny mpandray anjara isaky ny firenena tao amin'ny centre Technique National no nisantarana izany.
(Jereo Sary Tohiny)
Taranja Judo - 70kg : Tompondakan'i Afrika i Laura Rasoanaivo
Voahosotra ho tompondakan'i Afrika amin'ny taranja Judo, eo amin'ny sokajy latsaky ny 70 kg, i Laura Rasoanaivo, nandritra ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika sokajy "Junior", izay atao any Tonizia ny 09 hatramin'ny 12 martsa 2023 izao.
(Jereo Sary Tohiny)
Antsiranana : Androany no mankalaza ny Andron’ny Vehivavy
Ity sabotsy 11 martsa ity no mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny Vehivavy ny aty Antsiranana. Mitarika izany ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Antsiranana, Jocelyne Maxime.
Tsy nahasakana ny hetsika teto Antsiranana ny tenimita avy amin'ny Ministeran'ny Ati-tany, izay nohamafisin'ny minisitra Tokely Justin nandritra ny fiakarany tao amin'ny Televiziona Malagasy, ny hanafoanana izay fankalazana ny Andron’ny vehivavy ankoatra ny natao ny 8 martsa.
Efa nofoanan'ny Ben’ny Tanàna ihany koa ny fahazoan-dalana hanao ity hetsika ity.
(Jereo Sary Tohiny)
Fiaraha-miasan’ny Andrimpanjakana : Teny Tsimbazaza ny Talen’ny kabinetra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika
Tonga teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, nihaona tamin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine, ny zoma 10 martsa 2023, ny Talen’ny kabinetra vaovao, eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, Ramatoa Andrianarisoa Romy.
Niresaka momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Parlemanta ary ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny izy ireo.
(Jereo Sary Tohiny)