Filtrer les éléments par date : vendredi, 10 mars 2023

Nanao fanambaràna ny Filohan'ny Oniversite Mamy Ravelomanana, androany zoma 10 martsa 2023, fa efa niverina ny fandriampahalemana eny Vontovorona, ary rehefa nifampidinika tamin'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Sekoly ambony Politekinika, dia afaka miverina amin'ny laoniny ny fampianarana rehetra, araky ny fandaminana apetrak'ireo mpisehatra aram-pampianarana eny an-toerana.

 

Publié dans Sociale

Nakaton'ny filohan'ny Oniversite ny Toeram-pianarana ambony eny Vontovorona noho ny hetsika fitakiana fanatsarana ny trano sy ny fandoavana ny vatsim-pianarana nataon'ny mpianatra.

Nalefa mody avokoa ny mpianatra hiala ny toeram-pianarana.
Tsy fahefan'ny Filohan'ny Oniversite irery anefa izany, fa tsy maintsy miantso ny Sojabe sy ny CONSEIL SCIENTIFIQUE izy, vao afaka mandray fanapahan-kevitra amin'ny fampiatoana fianarana.

Fanapahan-kevitra ara-pampianarana no raisiny, ka tsy maintsy ny CONSEIL SCIENTIFIQUE no manapaka izany.

Nandritra ny telo andro nisian'ny olana, ny mpanolo-tsaina sy mpiandraikitra tao amin'ny Ministeran'ny fampianarana ambony no hita hatrany namaha ny olana teny Vontovorona, tsy hita izay fandraisana andraikitry ny Filohan'ny Oniversite.

Publié dans Pilo kely

Manalavitra an'i Madagasikara hatrany ny rivo-doza Freddy, efa any amin'ny 930km miala ny morontsiraka malagasy ny foibeny, mihamitombo kosa anefa ny heriny, raha manatona ny Morontsiraky Mozambika, miaraka amin'ny rivotra 120km/ora, sy tafiodrivotra 148km/ora izy.

Mbola misy fiantraikany amin'ny toetr'andro eto Madagasikara anefa izy.

Foana avokoa ireo fampitandremana rehetra ho an’ny any an-dranomasina eto Madagasikara.

Toetrandro :

Publié dans Tselatra

Nanao veloma ny Filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine, teny amin’ny biraony eny Tsimbazaza ny Alakamisy 9 martsa 2023, ny Solontena manokan’ny Vondrona Afrikana niasa teto Madagasikara, Ramatoa Hawa Ahmed Youssouf.

Voaantso hiasa any Mali, miaraka amin’ny Firenena Mikambana, Ramatoa Hawa Ahmed Youssouf. « Tsara, ary tena nahafa-po anefa ny fiaraha-miasa niaraka tamin’ny firenena Malagasy » hoy izy.

Marihina fa efa niasa teto Madagasikara nanomboka tamin’ny tetezamita, hatramin’izao Repoblika faha-4, izao izy ka "tena sitraka tokoa ny hanomezana haja amam-boninahitra azy," hoy ny Filohan'ny Antenimierampirenena.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique