Filtrer les éléments par date : vendredi, 09 septembre 2022

Tontosa ny alakamisy 8 septambra 2022 tao amin’ny Katedraly Notre Dame de la Salette Antsirabe ny fanaovam-beloma farany, sy ny fandevenana an’i Mgr Phillipe Ranaivomanana, Evekan’ny Diosezin’Antsirabe taorian'ny sorona Masina lehibe, ho fisaorana an'Andriamanitra, izay notarihin'ny Mgr Odon Razanakolona, notron’ireo Eveka rahalahiny, avy amin’ny diosezy maro.

Publié dans A la Une

Tonga nijery ireo atleta 6 mianadahy avy ao amin'ny CATO Club Bezaha, tavela teto an-drenivohitra noho ny olana ara-bola ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Tinoka Roberto ny alakamisy 08 septambra 2022, ary nandray ny andraikitra avy hatrany mahakasika ny fodian'ireto atleta, izay tokony hamonjy ny toeram-podiana, raha avy niatrika ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara teto Antananarivo.

Nandray an-tanana ny fakana ireo atleta ireo teny amin’ny Kianja Alarobia ny Ministera nanomboka ny harivan'ny alarobia, ka nafindra toerana tao amin’ny Académie Nationale des Sports Ampefiloha izy ireo, ary nalefa hody any Bezaha ny tolakandron'ny alakamisy.

Nambaran’ny Minisitra fa mampalahelo ny zavatra toy izao, ary tsy tsara ny hiverimberenany.
"Ray aho, ka tsy izaho mihitsy no tsy hijery azy ireo" hoy ny Minisitra.

Publié dans Sport