Filtrer les éléments par date : jeudi, 08 septembre 2022

Angletera : Nodimandry ny Mpanjakavavy Elisabeth II

 

Publié dans A la Une

8 septembre : Journée mondiale de la physiothérapie.

 

Publié dans Fil info
jeudi, 08 septembre 2022 18:09

Angletera : Efa manao bande noire ny BBC

Televizionina anglisy ny BBC, na mbola tsy misy filazana ny fahalasanan'ny Mpanjaka vavy Elisabeth II akory, dia tsikaritry ny mpanara-baovao fa nivadika loko mainty ny fanambanin'ny soratra amin'ny fahitalavitra anglisy BBC.

Efa tonga ao Balmoral i William, Andrew ary Edward. Charles moa efa ao ihany koa.

 

Publié dans Tselatra

Nilaza ireo mpitsabon'i Mpanjakavavy Elisabeth II fa niharatsy ny fahasalamany, ka nandray fiaramanidina avy hatrany ireo zanany Princes Charles William sy Harry amonjy ny résidence royale de Balmoral any Ekosy.

Publié dans A la Une
jeudi, 08 septembre 2022 08:31

Mianara tantara

Fahiny tamin'ny andron'ny Faraona tany Egypta, dia niravaka nanemotra ny rindrim-pasana, na pyramide, ny volamena.

Mitazona eo an-tratra lefona vy kosa ny mpanjaka nodimandry.

Ny volamena tokoa manko no hita talohan'ny vy, ka saro-bidy kokoa izany ny vy, ka ny volamena mora vidy, no natao temotra rindrina, fa ny vy saro-bidy no lasa noravahina.

Taty aoriana vao hita fa maro sy mitobaka kokoa ny vy, noho ny volamena, ka nanjary saro-bidy sy lafo noho ny vy indray ny volamena.

Tamin'ny andron'ny Faraona moa efa nikiraro ny olona, ary efa natsaka tanaty vovo, efa nahay nanamboatra lalana sy trano miezinezina.

Isika Malagasy mbola ampianarina, ary mbola mankalaza andro iraisam-pirenena amin'ny fanasana tanana, mbola betsaka ireo tsy mikiraro, ny 75% mbola tsy misotro rano madio avy any anaty vovo.

Tara 2000 taona isika izany, ka ho gaga ve raha nosoloina bolongam-by, izay saro-bidy kokoa amin'ny fotoan'androtsika 2000 taona lasa, ny volamena tao anaty coffre Minisitry ny harena an-kibon'ny tany?

Na ny Praiminisitra nisolo toerana vonjimaika ny minisitry harena an-kibon'ny tany aza, tratran'ny masobe tsy nahita, fa namiratra teo imaso ity bolongam-by saro-bidy.

Soava ny andro e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Nanolotra vary milanja 5 000 taonina ho an'ny vahoaka Malagasy ny firenena indianina, ho fanampiana ireo fianakaviana marefo, nandritra ireny rivodoza nisesy farany teo ireny.

Nandray izany fanomezana izany, izay natolotry ny Masoivohon'i Inde teo aloha, Atoa Abhay Kumar, teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny 7 septambra 2022, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Nambaran'ity farany fa manomboka amin'ny herinandro izao dia ho zaraina ara-drariny amin'ireo tokantrano marefo sy sahirana ara-pivelomana ireo vary ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin'ny Filoham-pirenena ny Masoivoho vaovaon'ny Vondrona Eoropeana, Ramatoa Isabelle Delattre, ny 7 septambra 2022, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha.


Naneho ny fahavononany moa ity Masoivoho ity, ny hanohy ireo ezaka efa nataon'ireo Masoivoho teo alohany, amin'ny fanamafisana sy fanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeana.

Mitentina 325 tapitra euros, hoy izy, ny fanohanana avy amin'ny Vondrona Eoropeana, amin'ny asa fampandrosoana an'i Madagasikara ao anatin’ny 4 taona manaraka. Anisan'ny sehatra laharam-pahamehana amin'izany ny fampivoarana ny tontolo ambanivohitra, ny fitantanana, ny angovo, ny fahasalamana sy ny fanabeazana.

Publié dans Politique