Filtrer les éléments par date : mercredi, 07 septembre 2022

Rongony 6 gony sy tapany milanja 117 kilao no sarona teo am-pitaterana azy tamin'ny posy teny Aranta omaly talata.

Tsara fono tamin'ny gony sy sachet ny entana.

Ilay mpitarika posy sy ilay olona nanaraka ny entana no saron'ny Polisin'ny boriborintany voalohany Anakakely, ary ireo indray no nanoro ilay tompon'entana avy eo, izay noraisim-potsiny teny amin'ny Quai Orange.

Rongony avy any amin'ny tapany avaratry ny Nosy, notaterina tamin'ny botry, nokasaina hamidy eto Mahajanga, ireto saron'ny polisy ireto.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Malagasy isika, misy Hasiny ny Tany sy ny Saina. Ny maraina misandratr'andro, alohan'ny amin'ny 12ora, hatrany ny fampakarana Sainam-pirenena. Tokony ho entitra ny Foloalindahy amin'izany, na ny fanajana ny fombafomba rehetra atao amin'izany, na ny lokon'ny Sainam-pirenena.

Ny antsika anefa dia miroron'andro, eny amin'ny alina mihitsy indraindray, ka ahagaga ve raha mirorona avokoa ny zavatra atao, misy aza miafara faty olona ny zava-mitranga.

Raha misy hetsika tiana atao ny tolak'andro na ny alina, dia akaro mialoha ny Sainam-pirenena, dia mitohy ny lanonana na ny hetsika amin'ny hariva na amin'ny alina.

Soava ny andro.
Patrick

(Sary nindramina, sekoly miezaka hatrany)

 

Publié dans Pilo kely