Filtrer les éléments par date : mardi, 06 septembre 2022

Fitokonana avy hatrany no misantatra ny taom-pianarana 2022-2023 ao amin'ny Lycée Mixte Tsiaraso I - Ambanja. Mitokona ny mpampianatra, ary andro faharoa an'izany androany.

Nanao fanambarana izy ireo androany talata 06 Septambra 2022 manamafy fa tsy hiasa raha tsy misy ny fanampahan-kevitra haingana ho raisin’ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena manoloana ny fahataran’ny fivoahan’ny Décision izay manendry Proviseur vaovao, hisolo toerana ny Proviseur NORBERT.

Nanao fanamarihana ireo mpitokina fa tsy tokony idiran’ny mpitandro ny filaminana ny ato amin’ny faritry ny sekoly satria am-pilaminana no iandrasan'izy ireo ny valin’ny fitakiany.

Nilaza koa ireto mpampianatra ao amin’ny Lycée Mixte Tsiaraso I Ambanja ireto fa hiverina hiasa avy hatrany raha vao mivaly ny fitakian'izy ireo, dia ny fialan’ny Proviseur.

 

Publié dans Tselatra

Lehilahy iray, sivily, mpiasa ao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe (ACMIL), no maty tao amin'ny toby androany tolakandro.

Mifamahofaho be ihany ny resaka ny amin'ny antony nahafaty azy.

Ankilany mitatitra fa AVC no nitarika ny fahafatesany, ny loharanom-baovao akaiky ny fianakaviana indray milaza fa ratra vokatry ny daroka no nahafaty ilay mpiasa sivily.

Publié dans Tselatra

Décès Eveque d'Antsirabe Madagascar, Mgr Philippe Ranaivomanana

Publié dans Fil info

Evekan'Antsirabe Mgr Philippe Ranaivomanana : Ho fantatra aoriana ny fandaharana

Publié dans Tselatra

Ny tantara nolalovany :

- Talohan'ny taona 1900 : Fiangonana kely, biriky tanimanga, naorin'i Mômpera Dupuy no fiangonana katôlika voalohany teto Antsirabe.

- Ny fiandohan'ny taon-jato faha-20 tany, no tonga teto ireo misioneran'i Notre-Dame de la Salette, ary nanorina fiangonana lehibebe kokoa izy ireo ny taona 1908.

- 1913: no niorina ny préfecture apostolique-n'i Betafo, ary mbola tao ambany fifehezany i Antsirabe

- 1918: nakarina ho Vicariat apostolique-n'i Betafo, izany hoe nahazo Eveka titulaire.

- 1921 vao nahazo ny grady Vicariat Apostolique i Antsirabe, ka nanapa-kevitra ny Eveka François Dantin ny hanorenana fiangonana lehibe.

Publié dans Art et Culture
mardi, 06 septembre 2022 11:45

Iza moa i Mgr Philippe RANAIVOMANANA ?

Teraka tamin'ny 13 Mai 1949 tao Anjamanga Antanifotsy, Zanak'i ROBSON Marcel sy RAZAFINDRAVELO Seraphine.

Nianatra tao amin'ny sekoly Ambaratonga voalohany tao Sarobaratra Antsiriribe ;
Nahazo ny diplaoma BEPC tao amin'ny Seminera Zandriny Antanifotsy ;
Afaka Baccalaureat tao amin'ny seminera zandriny Mandaniresaka (Antsirabe) ;
Nianatra filozofia tao amin'ny seminera zokiny Ambatoroka ;
Nanaraka fianarana Teolojia tany Ihosy ;
Nohamasinin'i Mgr Jean Marie RAKOTOARISOA sy Mgr Jean Guy RAKOTONDRAVAHARA ho Pretra tao Antsiriribe ny 16 Octobre 1977.

Publié dans Editorial

Nodimandry io maraina talata 06 septambra 2022 io tao Antsirabe, rehefa notsaboina aingana tao amin'ny Clinique Avé Maria (Masera) ny Evekan'Antsirabe Mgr Philippe Ranaivomanana.

Publié dans A la Une